Skip to content
Soa i Madagasikara podcast artwork

PODCAST · news

Soa i Madagasikara

by Soa i Madagasikara

Podcasts sur Madagascar proposés par la webradio 100% musiques, cultures et sociétés malgaches. La voix de Madagascar, fière de ses traditions et en harmonie avec la modernité. Fampielezam-peo an-tserasera malagasy, zato isan-jato mozika, kolontsaina ary sosialy. Ny feon'i Madagasikara, mirehareha amin'ny lovan-drazana ary mifanaraka amin'ny zava-maoderina.

Publisher-supplied feed metadata · PodParley refreshed Aug 16, 2025 · Source feed

Episodes

  1. Safa - Mihoatra ny zo hifidy : inona ny vina ho an’i Madagasikara ? - Josephin Andriantafika 4/4

    Amin’ity fizarana fahefatra sady farany amin’ny andiany SAFA natokana ho an’ny CODIAM ity, i Josephin Andriantafika, filohan’ny Conseil de la Diaspora Malgache, dia manazava ny vina entin’ny CODIAM ho an’i Madagasikara. Tsy tokony hijanona amin’ny resaka zo hifidy ihany ny fifandraisana eo amin’i...

  2. Safa - Zon’ny Malagasy monina any ivelany hifidy : ahoana ny toerana politika ? - Josephin Andriantafika - 3/4

    Amin’ity fizarana fahatelo amin’ny andiany SAFA natokana ho an’ny CODIAM ity, i Josephin Andriantafika, filohan’ny Conseil de la Diaspora Malgache, dia miresaka momba ny zo hifidy sy ny toerana politika tokony homena ny Malagasy monina any ivelany. Nahoana no lasa laharam-pahamehana ho an’ny…

    more
  3. Safa - Ny anjara birikin’ny diaspora amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara - Josephin Andriantafika - 2/4

    Amin’ity fizarana faharoa amin’ny andiany SAFA natokana ho an’ny CODIAM ity, i Josephin Andriantafika, filohan’ny Conseil de la Diaspora Malgache, dia miresaka momba ny tena anjara birikin’ny diaspora malagasy amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Tsy voafetra amin’ny vola alefa any...

  4. Safa - Ny diaspora malagasy sy ny nahaterahan’ny CODIAM - Joséphin Andriantafika - 1/4

    Amin’ity fizarana voalohany amin’ny andiany SAFA natokana ho an’ny CODIAM ity, i Joséphin Andriantafika, filohan’ny Conseil de la Diaspora Malgache, dia manazava ny zava-misy iainan’ny diaspora malagasy ankehitriny sy ireo antony nanosika ny fananganana ny CODIAM. Iza avy no mandrafitra ny…

    more
  5. Akon’i Gasikara – Didier Ratsiraka : Fampihavanam-pirenena sy fanorenana ny ho avy

    Ao anatin’ity raki-peo ity, Didier Ratsiraka, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara teo aloha, dia mizara fomba fijery lalina momba ny hoavin’ny firenena. Miverina mijery ny zava-bita nandritra ny fitondrany izy, indrindra ireo tetikasa fototra izay nametraka ny lalana ho an’ny fampandrosoana an’i...

  6. Akon'i Gasikara - Sefo Fokontany : tokony hofidiana sa hotendrena ? Hevitry ny Depiote Antoine Rajerison

    Ao anatin’ny adihevitra momba ny fanavaozana eto Madagasikara, miverina indray ny resaka momba ny toeran’ny Sefo Fokontany. Amin’ity fizarana ity, Antoine Rajerison, depiote an'i Madagasikara, dia mampitandrina ny amin’ny mety hiverenan’ny hadisoana taloha raha toa ka haverina ny fanendrena Sefo...

  7. Mba fantatrao ve ? – Fanehoankevitra momba ny famerenana ny Fokontany ao anaty vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana

    Ao anatin’ny adihevitra momba ny fanavaozana eto Madagasikara, mipetraka indray ny fanontaniana lehibe : inona no rafitra politika tena mifanaraka amin’ny maha-izy antsika? Amin’ity fandaharana “Mba fantatrao ve” ity, dia resahina ny maha-zava-dehibe ny Fokontany ho fototry ny fandaminana...

  8. Akon'i Gasikara - Michaël Randrianirina : Antso ho an’ny tanora – Fahatsiarovana 29 Martsa 1947

    Tamin’ny fankalazana ny 29 Martsa 1947 tao Moramanga, Michaël Randrianirina, filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, dia nandefa hafatra mahery vaika ho an’ny tanora malagasy. Miantso ny tanora izy handray andraikitra amin’ny fananganana ny hoavin’ny firenena, ary tsy hanaiky ho...

  9. Akon'i Gasikara - Tanora malagasy sy politika : antso sy hafatra avy amin’i Hajo Andrianainarivelo

    Amin’ityfandaharana ity, Soa i Madagasikara dia mitondra ampahan’ny kabarin’i Hajo Andrianainarivelo, izay miresaka mivantana amin’ny tanora malagasy. Hafatra mazava no apetrany : ny tanora no ho avin’i Madagasikara, mila miomana sy miofana izy ireo handray andraikitra, ary tsy tokony ho…

    more
  10. Akon'i Gasikara - Hetsika fambolen-kazo sy politika – inona marina no tanjon’ny Malagasy Miara Miainga ?

    Amin’ity fandaharana ity, Soa i Madagasikara dia mijery akaiky ny hetsika fambolen-kazo nataon’ny antoko Malagasy Miara Miainga (MMM), notarihin’i Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo, >Filoha nasionaly ny Antoko. Fa ankoatra ny lafiny tontolo iainana, misy hafatra politika nozarainy tamin'nizany :...

  11. Mba Fantatrao ve ? - Fanehoankevitra momba ny toerana tokony homena ny Fokonolona sy fitsapankevi-bahoaka

    Inona marina no anjara toeran’ny Fokonolona amin’ny fitantanana ny firenena? Ary tokony homena lanja bebe kokoa ve ny fitsapankevi-bahoaka amin’ny fanapahan-kevitra lehibe? Ao anatin’ity fizarana “Mba Fantatrao ve ?” ity, mandinika lalina ny toerana tokony hisy ny vahoaka amin’ny rafitra...

  12. Akon'i Gasikara - Fitsidihana Ofisialy any Rosia : Fanavaozana sy Fiandohana Vaovao

    Nanao fitsidihana ofisialy tany Rosia ny Filohan’ny Repoblika Michaël Randrianirina, tao anatin’ny fanamafisana sy fanavaozana ny fifandraisana diplomaty efa naharitra 55 taona teo amin’i Madagasikara sy Rosia. Tamin’ny lahateniny voalohany dia nanambara izy fa fotoana hanombohana fiandohana…

    more
  13. Akon'i Gasikara - Didier Ratsiraka sy ny Vinan’ny Angovo : Bemolanga sy Tsimiroro, Fahafahana Very sa Fotoana Mbola Azo Raisina ?

    Ao anatin’ity fizarana ity dia hiverenantsika ny vanim-potoanan’ny fitondran’i Didier Ratsiraka, sy ny paikady napetraka momba ny loharanon-kery eto Madagasikara. Tamin’izany fotoana izany dia efa nisy fandinihana lalina momba ny gisement solika mavesatra ao Bemolanga sy Tsimiroro. Harena...

  14. Akon'i Gasikara - 31 Desambra 2025, Ny Lalana Efa Natoron’ny Tanora

    Ao anatin’ity podcast ity dia henontsika ny ampahan’ny lahatenin’ny Filoha Michaël Randrianirina tamin’ny 31 Desambra 2025. Ao anatin’izany kabary izany dia nanamafy izy fa “efa voatrasy ny lalana”. Lalana notarihin’ny tolona sy ny fahasahian’ny tanora izay nijoro sy naneho ny faniriany ho…

    more
  15. Akon'i Gasikara - Kabary nataon’i Michaël Randrianirina – Toromarika ho an’ny governemanta vaovao

    Tamin’ny 29 oktobra 2025, nandritra ny fananganana ny governemanta voalohany, Michaël Randrianirina dia nanao kabary mazava sy hentitra ho an’ireo minisitra vaovao. Nohamafisiny fa tsy tompon’andraikitra amin’ny tenany ireo mpikambana ao amin’ny governemanta, fa mpanompon’ny vahoaka. Ny vahoaka…

    more
  16. Akon'i Gasikara - Mikolo : Feon’ny GenZ Tsy Natahotra

    Ao anatin’ity fizarana ity dia hifantoka amin’i Mikolo, mpianatra iray izay lasa endriky ny GenZ nandritra ny hetsika nataon’ny tanora teto Madagasikara. Na teo aza ny fisian’ny hery mitam-piadiana sy ny famoretana mafy, dia nijoro izy, tsy tamin’ny fitaovam-piadiana, fa tamin’ny teny. Teny…

    more
  17. Akon'i gasikara - Antson’ny Ray aman-dReny avy any Sambava ho an’ny Tanora : Aza Manaiky ny Tsy Rariny

    Ao anatin’ity fizarana ity dia heno ny antso mafy nataon’ny Ray aman-dReny iray avy any Sambava nandritra ny hetsika nataon’ny GenZ eto Madagasikara. Tsy nanafina hevitra izy, ary tsy nihodinkodina tamin’ny teniny. Manoloana ny famoretana sy ny herisetra nitranga, ary indrindra ny…

    more
  18. Akon'i Gasikara - GenZ Renim-pianakaviana manohana ny zanany

    Ao anatin’ity fizarana ity dia mitantara renim-pianakaviana iray izay niara-nandeha tamin’ny zanany lahy nandritra ny hetsika nataon’ny GenZ eto Madagasikara. Tsy fijery ivelany fotsiny no nataony, fa tena fanapahan-kevitra lalina. Hoy izy, tsy afaka hijanona ao an-trano intsony raha mahita ny...

  19. Akon'i Gasikara - Marina daholo ny lazainao Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

    Ao anatin’ity fizarana ity dia averina jerena ny lahateny nataon’i Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY fony izy mbola tao amin’ny fanoherana. Tamin’izany fotoana izany dia mazava sy hentitra ny teniny, niaro ny zon’ny olom-pirenena haneho hevitra sy haneho tsy fahafaham-po amin’ny alalan’ny hetsika…

    more
  20. Akon'i Gasikara - Profesora James RATSIMA manamafy ny Fitiavan-tanindrazana

    Ao anatin’ity fizarana ity dia manazava mazava ny Profesora James Ratsima fa tsy tokony ho teny mamy re amin’ny kabary na lahateny ihany ny fitiavan-tanindrazana. Tsy ampy ny miteny hoe “tiako i Madagasikara” raha tsy hita amin’ny fihetsika sy ny safidy andavanandro izany. Resahiny fa ny tena...

  21. Akon'i Gasikara - Profesora James RATSIMA mametraka fanontaniana

    Fanon taniana mila valiny avy amin'ny fitondrana tarihin'ny Filoha Andry Rajoeliana. Rasaka halabato amin'ny fifidianana, tsindry hazolena, fandrahonana ny mpiara-monina, ary mangony manokana ny fanodikodinana ny harem-bahoaka.

  22. Mba fantatrao ve ? - Ny adidy sy andrikitry ny olompirenena aorian’ny fifidiana

    Ny demokrasia dia fahefan’ny vahoaka, avy amin’ny vahoaka, ho an’ny vahoaka. Fahefan’ny vahoaka (satria vahoaka masimandidy). Ary avy amin’ny vahoaka (Izay voalazantsika teo hoe mamindra ny fahefana amin’ny olomboafidy amin’ny alalan’ny fifidinana). Fa indrindra ho an’ny vahoaka (Mba…

    more
  23. Mba fantatrao ve ? - Ny voalaza ao anaty lalampanorenana momba ny Kaominina

    Ny fanontaniana azontsika tonga dia apetraka avy hatrany dia hoe : Tena mizaka tena ara-pitantanana sy ara-bola araky ny voalazan’ny lalampanorenana tokoa ve ny nondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana sa tsia, fa mbola tsy izay moa ny resaka eto androany. Voalaza ihany koa ao amin’io ndininy...

  24. Mba fantatrao ve ? - Ny Repoblika nifandimby teto Madagasikara - Tapany voalohany

    Ny repoblika voalohany dia ny « Repoblika Malagasy » izay nanana ny teny filamatra : Fahafahana-Tanindrazana-Fandrosoana, nanomboka tamin' ny 14 Ôktôbra 1958 ka hatramin’ ny 30 Desambra 1975. Ny lalàmpanorenana voalohany dia nanan-kery nanomboka ny 29 Avrily 1959. Ny nanambarana ny…

    more
  25. Mba fantatrao ve ? - Ny asa sy andraikitry ny Solombavambahoaka - Tapany fahatelo

    Resaka momba ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka tapany fahatelo araky ny voalaza ao anaty lalampanorenana manomboka eo amin’ny andininy faha-68 hoe : Ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona no mandrafitra ny Antenimiera. Izy no mandany ny lalàna sy manara-maso ny asan'ny...

  26. Akon'i Gasikara - Mafy ny fiainana ao Mandritsara

    Efa ny Malagasy manerana ny Nosy no mahatsapa fa mafy ny fiainana andavan'andro. Mpitondra Bajaja sy mpandinika ny raharaham-pirenena no milaza ny sationan'ny fahorian'ny vahoaka ao Mandritsara, faritri'i Sofia, izay mahatsapa fa adinon'ny mpitondra. Na izany aza dia miandrandra ny firenenan...

  27. Mba Fantatrao ve ? - Ny asa sy andraikitry ny Solombavambahoaka - Tapany faharoa

    Noho ny fangatahana fanazavana fanampiny momba ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka avy amintsika mpihaino, dia nasiana tapany faharoa ity fandaharana ity. Tokony ho tankintsika ihay koa ny mangarahara mahakasika ny fampiasana ny tetibola izay tantanan’izy ireo fa tsy solombavambahoaka...

  28. Mba Fantatrao ve ? - Ny asa sy andraikitry ny Solombavambahoaka - Tapany voalohany

    Fandaharana izay hanaovana fitaizana olom-pirenana araky ny fampahafatarana izay efa natao, eto amin’ny radio Soa i Madagasikara. Ny fanontaniana izay hezahintsika ho valiana amin’ity fandaharana voalohany ity dia ny hoe : « Mba fantatrao ve » ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka araky ny...

  29. Akon'i Gasikara - Ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety

    Aiza ho aiza ny fahafahana sy ny fahalalahana misy ho an'ireo mpanao gazety rehefa hamoaka ny vaovao marina eto amintsika. Ny famakafakan'i Hervé RAKOTOZANANY, mpanao gazety sy mpampianatra.

  30. Mba fantatrao ve ? - Fanolorana

    Fandaharana izay hanaovana fitaizana olom-pirenana izay anasana antsika olompirenena rehetra mahatsapa fa manana adidy sy andraklitra amin’ny mpiaramonina sy ny mpiarabelona satria ny fahalalana dia harena.

  31. Fatambary - Ny Vehivavy Malagasy

    Raha vao miresaka an’i Madagasikara isika dia anatin’ny saina avy hatrany ny teny hoe « Firenena » ; izany ahenoana ny teny « Reny ». Anio isika dia hiezaka ny hamaritra ny toe-tsaina sy ny fitondran-tena ary ny toeran'ny Vehivavy eto eo @ fiaraha-monina malagasy. Aina ny Vehivavy Malagasy…

    more
  32. Fatambary - Tanisa Faharoa

    Tohin'ny fandaharana miresaka ny tahanisa vitsivitsy momba an'i Madagasikara. Toa ny fitomboan'ny mponina sy ny toerana misy ny tanora eo an'inivon'ny fiarahamonina malagasy.

  33. Fatambary - Tanisa Voalohany

    Amin’ity fandaharana ity dia itodika kely ny momba ny tahanisa vitsivitsy isika izay novinanian’ny famatsiam-bola iraisam-pirenena, ho an’ity taona efatra ambin’ny roapolo sy roa arivo ity. Isa manome hanampy antsika hisafidy ny lohahevitra aroso eto.

  34. Fatambary - Fanolorana

    Fandaharana omentsika anarana hoe « Fatambary » toy ilay kapoaka ampiasaina andavanandro, ilaina rehefa hanokona vary. Ilaintsika tokoa ny mandrefy sy mandanjalanja ny antony maro mahatonga ny firenena toa izao na an-kasoavana na an-karatsiana izany. Fandaharana hanasana antsika rehetra handray...

  35. Akon'i Gasikara - 29 Marsa 1947

    Hatramin'ny fahafantaran'ny Malagasy fa mizaka zo-pirenena frantsay ny Filoha Andry Rajoelina, dia maro ny feo manakiana fa tsy mendrika ny hanamarika ny tsingeri-taona fahatsiarovana ny tolona nataon'ny Malagasy nitaky fahaleovan-tena ny Vazaha (Loharano : KoloTv).

  36. Akon'i Gasikara - Herisetran'ny mpitandro filaminana

    Herisetran'ny mpitandro filaminana sy fanitsakitsahana ny zon'olombelona. Dinika miaraka @ i Andrianjakamahery Hervé, filohan'ny fikambanan'ny mpianatra Oniversite, sy @ i Ramanamiseta Johary Carol, Mpandrindra nasionaly ONDH (Loharano : KoloTv)

  37. Akon'i Gasikara - Miakatra ny rano eny ambany tanàna

    Tsy misy fihatsarana ny fiainan'ny mponina eny ambany tanàna rehefa fahavaratra. Miakatra ny rano, mitondra haretina isan-karazany. Hatreto aloha dia tsy mbola ahitana rafi-drasa isorohana izany. Mankony ihany koa ny fitohizan'ny fanotofana tany ataon'ny etsy ambony tanàna (Loharano : KoloTv)

  38. Akon'i Gasikara - Tsy fahandriampahalemana vokatry ny jiro tapaka

    Tsy milamina ny eny Ankazomanga noho ny fahatapahan'ny jiro matetika. Miaina lavitry ny fahadriampahalemana ny mponina. (Loharano: KoloTv)

  39. Akon'i Gasikara - Tsy vahaolana ny Jiro Kapoaka

    Naresaka nandritry ny propagandy 2023 ny fizarana jiro eraky ny tanàna. Tsy vahaolana hialana @delestazy io hoy ny mpiara-monina. Nahazo anarana malaza ho Jiro Kapoaka. (Loharano : KoloTv)

  40. Akon'i Gasikara - Ny Malagasy sy ny kabary Rajoelina

    Maro ireo resabe tato ato mikasika ny filoha Andry Rajoelina. Anisan'izany ny fizakany zo-pirenena frantsay. Ahoana ny fahitan'ny eny an-dalambe ny kabary fanadiovan-tena nataony. (Loharano : KoloTv)

  41. Akon'i Gasikara - Profesora James Ratsima mametraka fnontaniana

    Amin’izao vanim-potoana manahirana ny firenena izao dia mametraka fanontaniana vitsivitsy ny Profesora James Ratsima, izay miandry valiny avy amin’ny fitondrana. Mikasika ny fanomanana ny fifidianana eto Madagasikara, miavaka ireo fanomezam-boninahitra fotsiny tsy misy atiny. Manao izany…

    more
  42. Akon'i Gasikara - Profesora Ranjeva : ny fampianarana

    Manamariva ny Profesora Raymond Ranjeva fa zavadehibe ny fampianarana ny Malagasy. Ilaina io iatrehana ny sy hanatsarana ny hoavin'i Madagasikara (Loharano : Midi Madagasikara)

  43. Akon'i Gasikara - Profesora Ranjeva : ny toekarena malagasy

    Dinika ataon'i Profesora Raymond Ranjeva mikasika ny toekarena malagasy. Songadiny ahitana fanazavana mahatonga antsika raikitra anaty fahantrana na dia maro aza ireo harena eto @ firenentsika (Loharano : Midi Madagasikara)

  44. Akon'i Gasikara - Profesora Ranjeva manazava ny fahalementsika Malagasy

    Fanazavan'ny Ray aman-dreny, Profesora Raymon Ranjeva, ny fahalementsika Malagasy, izay antony voalohany manakana antsika hivoatra sy handroso. (Loharano : Midi Madagasikara)

  45. Akon'i Gasikara - Ny vaovao sy ny mpanao gazety

    Gazety, radio, fahitalavitra ary ankehitriny ny tambazotra sy ny vohikala... ireo fampitam-baovao isan-karazany dia manana toerana lehibe eo amin'ny fiarahamonina sy fahamasinana ny demokrasia. Ahoana ny momba ireo feto Madagasikara ?

  46. Akon'i Gasikara - Fiboahana sy fiantrekany @ adavan'andro

    Mbola mitohy ihany ny ady amin'ny valanaretina Covid-19. Miverina mihiboka indray ny firenena. Misy fiantrekany amin'ny fiainan'ny tsirairay izany.

  47. Akon'i Gasikara - Vakisiny Covid-19

    Tonga eto madagasikara ny vakisiny hiarovana amin'ny valanaretina covid-19. Ahoana ny fandraisan'ny tsirairay avy an'izany vaovao izany ?

  48. Ny Fahasalamana #10 - Fiovan'ny valanaretina Covid-19

    Fandaharana atolotr'i Dr Zo RAKOTONIAINA

Type above to search every episode's transcript for a word or phrase. Matches are scoped to this podcast.

Searching…

We're indexing this podcast's transcripts for the first time — this can take a minute or two. We'll show results as soon as they're ready.

No matches for "" in this podcast's transcripts.

Showing of matches

No topics indexed yet for this podcast.

Loading reviews...

ABOUT THIS SHOW

Podcasts sur Madagascar proposés par la webradio 100% musiques, cultures et sociétés malgaches. La voix de Madagascar, fière de ses traditions et en harmonie avec la modernité. Fampielezam-peo an-tserasera malagasy, zato isan-jato mozika, kolontsaina ary sosialy. Ny feon'i Madagasikara, mirehareha amin'ny lovan-drazana ary mifanaraka amin'ny zava-maoderina.

HOSTED BY

Soa i Madagasikara

Frequently Asked Questions

How many episodes does Soa i Madagasikara have?

Soa i Madagasikara currently has 69 episodes available on PodParley. New episodes are automatically indexed when they're published to the podcast feed.

What is Soa i Madagasikara about?

Podcasts sur Madagascar proposés par la webradio 100% musiques, cultures et sociétés malgaches. La voix de Madagascar, fière de ses traditions et en harmonie avec la modernité. Fampielezam-peo an-tserasera malagasy, zato isan-jato mozika, kolontsaina ary sosialy. Ny feon'i Madagasikara, mirehareha...

How often does Soa i Madagasikara release new episodes?

Soa i Madagasikara has 69 episodes. Check the episode list to see recent publication dates and frequency.

Where can I listen to Soa i Madagasikara?

You can listen to Soa i Madagasikara on PodParley by clicking any episode. We provide an embedded audio player for direct listening, and you can also subscribe via your preferred podcast app using the RSS feed.

Who hosts Soa i Madagasikara?

Soa i Madagasikara is created and hosted by Soa i Madagasikara.
URL copied to clipboard!