Skip to content
AriraVavy podcast artwork

PODCAST · society

AriraVavy

by Rasoa

Tonga soa eto amin'ny AriraVavy :podcast malagasy hanomezana sehatra ny tontolo manodidina ny maha vehivavy sy maha reny . Ny vehivavy tsirairay dia manana tantara azo zaraina. Ndao ary hiaraka amiko, Rasoa, amin'ity sehatra vaovao ity . Mihainoa finaritra o ! Welcome to AriraVavy: a space where we celebrate the stories of women, weaving together the threads of womanhood, motherhood, culture, and identity. Every woman has a story, and every mother carries a legacy. Join me, Rasoa, as we embark on today’s journey of discovery, connection, and empowerment.

Publisher-supplied feed metadata · PodParley refreshed Sep 16, 2026 · Source feed

Episodes

  1. S 4 Ep # 2: Najaina Tovohasimbavaka : Ny fomba handresena ny fandavana sy ny fahasahiranana amin'ny tontolon'ny asa / Comment surmonter les échecs et valoriser ses compétences /

    MG : Ity fandaharana vaovao ity dia miresaka momba ny fandaharan'asa ho an'ny tanora, ny fahaizana ilaina amin'ny fitadiavana asa, ary ny paikady amin'ny fampiasana ny tambajotra sosialy amin'ny fandraisana mpiasa miaraka amin'ny Najaina Tovohasimbavaka. Hevitra maro no nivohitra tao anatin'ny...

  2. S 4 Ep # 1: Fampiroboroboana ny teny Malagasy sy kolontsaina mankany amin’ny fivoarana. / Promouvoir la langue et la culture malagasy pour le développement.

    MG : Amin'ity fizarana ity dia mandray an’i Voniary isika. Topazantsika maso ny niandohany tamin'ny taona 2016, izay nanosika azy hanaitra ny hambom-pon'ny Malagasy sy hanefy ilay antsoina hoe "toe-tsaina mpandresy" mba hireharehana amin'ny tany, ny teny ary ny tantara. Miresaka momba ireo…

    more
  3. S 3 Ep # 8: Fahaiza-mamorona, Fahasalamana ara-tsaina ary ny maha-vehivavy ankehitriny./ Créativité, Santé mentale et l'Art de se réinventer.

    MG: Ao anatin'ity fizarana vaovao amin'ny saison Entre-nous ity, dia hiaraka hahafantatra bebe kokoa an'ilay andriambavilanitra ao ambadik'ireo anarana hoe Loilufy sy Minimialista isika. Maro ny resaka novelabelarina ary anisan'izany : Ny maha-izy ny tena : Niresaka malalaka momba ny fahatsapany…

    more
  4. S 3: Ep # 7 : Dans 20 ans, ton enfant viendra-t-il te voir par amour ou par obligation ? /Afaka 20 taona, ho avy hamangy anao noho ny fitiavana ve ny zanakao, sa noho ny adidy?

    FR : Et si le problème n'était pas que tu n'aimes pas assez ton enfant mais que la connexion s'est effritée sans que tu t'en rendes compte ? Dans cet épisode, je reçois Agnès, fondatrice de Maman Imparfaite, une communauté malgache dédiée à une parentalité plus consciente. Mère solo depuis la...

  5. S3 Ep # 6 : Valisoa :She Became Who She Was Meant to Be Through Her Children

    MG : Nanoratra ny bokiny voalohany izy satria nihevitra fa efa ho faty, ary lasa boky baoritra (board book) voalohany indrindra navoaka teto Madagasikara izany. Amin'ity fizarana ity, miresaka amin'i Valisoa aho, mpanoratra boky ho an'ny ankizy, reny manan-janaka roa, ary ilay vehivavy mangina...

  6. S 3 Ep# 5 : Storytime C-section awareness : Ny tantaran'ny fiterahako / L'histoire de ma césarienne

    MG: Inona marina no dikan'ny hoe miteraka? Ny fanosehana ve? Ny fanaintainana ve? Ilay fotoana andrenesanao iny tomany voalohany iny ve? Ahoana raha tsy nahatsiaro tena mihitsy ianao nandritra izany rehetra izany? Amin'ity fandaharana manokana ity dia zaraiko ny tantaran'ny fandidiana ahy...

  7. S 3 Ep # 4: Ny Fijalian'ny olombelona / Remettre en question la "sainte souffrance" avec Pasteur Hubert Rakotoarivony

    MG: Azo heverina ho fahamasinana ve ny fijanonana anaty fiarahana na fanambadiana feno herisetra sy mandratra raha toa inoanao ho fa fanomezana avy amin'Andriamanitra ilay olon-tianao, ary miampy ny fanantenana fa mbola hiova izy any aoriana any? Efa an-taonany maro no nibahana tao an-tsaiko io...

  8. Saison 3 : Episode #3 : Fijoroana amin'ny safidy: Ny fitiavana sy ny maha-izy ny tena arak’izay tadiavinao/ Assumer ses choix : Naviguer l'identité et l'amour selon ses propres termes

    MG: Manao ahoana ny endriky ny fiainana feno rehefa tsy manaraka ilay lalana efa mahazatra ny maro? Amin'ity fizarana ity, dia manohitra ireo fitsipika sy lalana efa voasoratra mialoha ho an'ny vehivavy isika ary mandinika ny hakanton'ny fijoroana feno amin'ny safidy manokana. Miditra lalina...

  9. Saison 3 : Episode # 2 : Toekaren'ny fanaintainana sy tontolon'ny famoronana / De l'économie de la douleur à la créativité

    MG: Amin'ity fizarana ity, dia hiresaka manokana momba ny fifanadraisan'ny toekaren'ny fahasalamana (économie de la santé), sy ny politikam-panjakana, ary ny tena iainan'ny marary any Madagasikara, amin'ny alalan'ny fitantanana ny fanaintainana mitaiza (douleur chronique) sy ny fampiasana rongony...

  10. Saison 3: Episode # 1 : Fahasalamana ara-tsaina : ny tena zava-misy iainan'ny reny malagasy / Santé mentale : la réalité des mères malagasy.

    MG : Amin'ity fizarana vaovao amin'ny saison "Entre-nous" ity dia hiresaka lalina momba ny fahasalamana ara-tsain'ny reny any Madagasikara isika miaraka amin'i Dr. Kanto Rabemananjara. Na dia eo aza ilay fehezanteny fandre matetika hoe "tokony ho faly ianao satria fahasoavana ny zanaka," dia…

    more
  11. Saison 2: Episode 17 : Fehiny : Fiverenana amin'ny tena /

    MG : Amin'ity fizarana farany ity, dia hiala amin'ireo teny filamatra manome hery sy ireo vahaolana vonjimaika isika, mba handinika ny tena dikan'ny hoe miverina amin'ny vatanao, tsy ho toy ny tetikasa mila havorariana, fa ho toy ny fifandraisana tokony haorina indray. Hiresaka momba ny…

    more
  12. Episode Spécial IWD :Nahoana isika no mbola voagejan’ny "fotsy fisainana"? /NOIR ET FIER : Pourquoi a-t-on encore le « cerveau blanchi » ?

    MG: "Fa maninona no vao fotsy vao lazaina fa 'madio' na 'voadio'?" Amin'ity fizarana ity, hiditra lalina amin'ny lohahevitra somary mampangirifiry isika: Ny fomba ampitiavan'ny rafitra antsika ny "fotsy" sy ampanetrena antsika ny "mainty". Tsy resaka menaka fotsiny ity, fa resaka…

    more
  13. Saison 2 Episode 16 :Ny Maha-Reny sy ny Firaisana: "Manao ahoana ny filanao ara-nofo aorian'ny fiterahana? /Maternité & Sexualité : Que devient le désir après l'arrivée des enfants ?

    MG : Inona no mitranga amin'ny faniriana/ filana rehefa lasa reny ianao? Ny tena marina dia matetika izy io manjavona, ary tsy misy mampitandrina anao mialoha. Ity fandaharana ity dia miresaka momba ny fahanginana momba ny firaisana ara-nofo aorian'ny fiterahana, mamakafaka ny zava-drehetra...

  14. Saison 2: Episode # 15Ny Fahafinaretana sy ny Elanelana eo amin'ny Fahatongavana /Le Plaisir et le Fossé Orgasmique

    MG : Amin'ity fandaharana ity dia hiresaka momba ny lohahevitra iray lehibe kanefa matetika tsy resahina isika: maninona no vitsy kokoa ny vehivavy tonga (orgasme) mandritra ny firaisana raha ampitahaina amin'ny lehilahy?Hofakafakaintsika io elanelana io mba hanazavana fa tsy ny vatanao no misy...

  15. Saison 2 : Episode # 14 : Sarintsarina fahafinaretana entina hanomezana toky ny olon-tiantsika / Simuler le plaisir pour rassurer nos partenaires

    MG : Maro amintsika ny mbola tsy noterena hanao firaisana, nefa betsaka ihany koa no nanao firaisana nefa tsy tena naniry izany tao am-po. Amin'ity fizarana ity, dia hiresaka amim-pahasahiana momba ilay "firaisana atao noho ny adidy" isika, izay matetika mitranga mba hisian'ny filaminana ao...

  16. Saison 2 : Episode # 13 : Ny fahanginana manodidina ny firaisana ara-nofo sy ny fananahana / Le silence autour du sexe

    MG : Ity fizarana ity no fototry ny andiany iray manontolo mikasika ny fananahana sy ny firaisana ara-nofo, satria dia horesahina eto ny zavatra tsy resahina mihitsy: ny firaisana ara-nofo ao anatin'ny fiaraha-monina Malagasy, indrindra ho antsika vehivavy. Maro ny hafatra tsy voateny tenenina fa...

  17. Saison 2 : Episode # 12 : Inona marina ilay tena vadinao rehefa manambady ianao ?Qui est réellement la personne que vous épousez ?

    MG : Aleon'ny olona manontany hoe: "Rahoviana ny mariazy?" toy izay manontany hoe: "Efa hitanao ve ny efitranon'izy io rehefa tsy ampoiziny hoe hisy olona ho avy hitsidika izy?" Horesahintsika eto ireo zavatra 5 tokony horesahan'ny mpifamofo nefa dinganina matetika alohan'ny fanambadiana, ary ny...

  18. Saison 2: Episode # 11 :Za’ tsy mpiasanao, ny resaka silipo sy ny tokantrano malagasy

    Hitanao ve ilay lisitra nalaza be nataon'i Preta Suarez iny? Ilay izy mitaky lehilahy mikarama 20 Tapitrisa Ariary, mody ara-potoana foana, sy ilay hoe tsy manasa ny silipony izy? Maro tamin'ny teo amin’ny tambazotra no nilaza fa manonofy atoandro izy. Fa amin'ity épisode ity, handalina fijery…

    more
  19. Pasteur Hubert Rakotoarivony : Ahoana ny hampitana ny soatoavinao amin’ny taranaka sy miaina amim-pahamarinana?

    Amin'ity fizarana ity, nifampiresaka lalina tamin'i Pasteur Rakotoarivony aho momba ireo singa fototra ilaina amin'ny fiainana mba hampisy dikany ny fiainana. Nodinihinay ifotony ny antony mahatonga ny olona maro hahatsapa ho "very" na dia avara-pianarana sy tsara taiza aza, ary nametraka ity...

  20. Saison 2 : Episode # 10 : Mivoady ny ho tia tena

    Amin'ity fizarana voalohany amin'ity taona vaovao ity dia hiresaka lohahevitra somary lalina isika: ny fitiavan-tena, izay miainga avy amin'ny bokin'i Kamal Ravikant sy ny tantarako manokana. Mizara ny ady noentiko hatramin'ny fahazazako aho: tena nankahala ny vatako satria nolazain'ny reniko fa...

  21. Saison 2: Episode # 9: Fomba hafakely hiatrehana ny taona vaovao.

    Raha ianao ilay zatra mpanao resolution alohan'ny faran'ny taona, dia andramo indray ity fomba hafa ity ho an'ny tenanao. Henoy eto ary ny andinindininy. Mihainoa finaritra o !

  22. Saison 2 : Episode # 8: Ireo tombotsoa rehefa reny miasa VS ireo tombotsoa rehefa reny mikarakara tokantrano

    Ao anatin'ity episode ity dia mampitaha ireo tombotsoa manokana iainanan'ny reny miasa aho sy ny tombotsoa an'ireo reny misafidy ny hikarakara tokantrano. Samy manana ny hanitry ho azy izy ireo ary hitako hoe tsy dia tena azo ampitahaina loatra. Henoy eto aty ny andinindininy. Mihainoa finaritra...

  23. Saison 2 : Episode # 7 : Inona no miandry anao rehefa sady miasa no manan-janaka ?

    Ny tatitra "Vehivavy eo amin'ny toeram-piasana 2025" (The 2025 Women in the Workplace report) dia milaza fa ny vehivavy dia "tsy ampy finiavana " . Nefa ny angon-kevitra nangoniny dia mitantara zavatra hafa tanteraka. Ity fizarana ity dia miresaka momba ireo zavatra tsy lazaina ampahibemaso...

  24. Mandray Vahiny : Hillary Roch :Reny : Ahoana no hitaizana tsy ampanerena sy ao anaty fahatokisan-tena

    Mandray vahiny : Hiresadresaka miaraka amin’i Hillary Rakotoniana isika amin’ity episode androany ity mikasika ny lohahevitra maro manodidina ny maha reny. Mizara amintsika izy mikasika ny fisafidianana ny hitaiza sy hanabe ny zanany amin’ny fomba izay hitany fa mety aminy sy ny zanany fa tsy...

  25. Saison 2 : Episode # 6 : Fanontaniana sarotra tokony hapetrakao amin'ny tenanao alohany hirosoana amin'ny fanambadiana

    Hiroso amin'ny fanambadiana ? Ireto ary misy fanontaniana tena sarotra mila anontanianao ny tenanao alohan'ny hirosoanao amin'ity fanapahan-kevitra iray lehibe ity. Mihainoa finaritra o !

  26. Saison 2 : Episode # 5 :“Dia nataoko ary izay tian’ny olona na tsy sitrapoko aza…”

    Ity episode ity dia aingam-panahy avy amin'ny hiran'i Bolo, izay miresaka ny ady anaty sedrain'ny tanora Malagasy maro: ny fanerena ara-tsosialy sy ara-bola hisafidy ny ho "Lakana" (fahombiazana manjelanjelatra, fandehanana any ivelany,...) na dia mifanohitra amin'ny hetahetan'ny fo aza.…

    more
  27. Saison 2 : Episode # 4 : Tokony hianatra ve raha tsy te-hiasa fa hikarakara tokantrano ?

    Tena fandaniam-poana tokoa ve ny fianarana raha mifidy ny ho mpikarakara tokantrano ny vehivavy ? Na dia eo aza ny fatiantoka ara-bola sy ny fandaniana fotoa dia tsy fandaniana velively ny fianarana. Ny fahaizana azo tamin’ny fianarana dia ampiasaina isan’andro amin’ny fitantanana ny tokantrano,...

  28. Saison 2 : Episode #3 :Ny olona rehetra dia afaka manao firaisaina , sy miteraka fa, tsy ny rehetra no afaka ho hikolokolo sy hitaiza ny zanaka naterany ….

    Ity episode ity dia fandinihan-tena manokana lalina sy tena marina momba ny ady , ny fisalasalana , ary ny antony tsy tsapan'ny saina tafiditra ao anatin'ny maha-reny sy ny fitaizana, indrindra fa ao anatin'ny zavatra andrasan'ny kolontsaina Malagasy. Mihainoa finaritra ary o!

  29. Saison 2 Episode #2 : Misy fanantenana ny fanasitranana sy ny fitiavana ….

    Ity fizarana faharoa ity dia miditra lalina amin’ny asa mafy takiana rehefa tsy nanana fototra fitiavana marina ny olona iray nanomboka tamin’ny fahazazana . Tena ilaina ianarana ve ny mitia sa mandeha ho azy izany ? Ny valiny dia hoe safidy izany. Ny lalana mankany amin’ny fanasitranana dia asa...

  30. Saison 2 : Episode # 1 : "Tena Tiana: Hita sy Fantatra, nefa Nofidiana Foana

    Aona marina moa izany hoe tena tiana izany?, azo atao ve ny mampitaha azy amin'ny fitiavana zanaka izay tsy misy fepetra. Ny tena fitiavana dia midika hoe "hita" ilay tena maha anao anao—ilay ianao manana fahalemena, mikorontana, ary manana toetra mifanipaka, fa tsy ilay ianao miezaka mihatsara...

  31. Saison 2 : "Humaine" - Intro

    Introduction AriraVavy Saison 2 "Humaine"

  32. Episode #19 : Aona no hatao hitiavana ireny vehivavy mahaleo-tena be loatra ireny ?

    Ny fitiavana vehivavy tena mahaleo tena dia tsy moramora — matanjaka izy, mahavita tena, ary matetika misalasala miankin-doha amin'olona. Fa ao ambadiky ny fahaleovan-tenany dia misy tantara, ary ny fianarana mitia azy dia mitaky faharetana, fanajana, ary fikarakarana amim-pahatsorana. Ao...

  33. Episode # 18 :Ny kolontsainan'ny fahanginana momba ny fadimbolana

    Nahoana ny fadimbolana, izay tranga voajanahary sy iainan'ny vehivavy eran-tany, no mbola feno fahanginana, henatra ary fanilikilihana hatramin'izao? Amin'ity fizarana ity dia horesahana ny fomba fijery momba ny fadimbolana nanomboka tamin'ny vanim-potoana taloha ela be ka hatramin'ny…

    more
  34. Episode # 17 : Firy taona no tokony hanambady ?

    Misy tokoa ve izany hoe taona tokony hanambadiana izany? Amin'ity episode ity, dia hifantoka amin'ny lafiny siansa sy ny zava-misy ary ny tantara isika, momba ny iray amin'ireo fanapahan-kevitra goavana indrindra eo amin'ny fiainana dia ny fanambadiana. Hojerena ao anatin'izany ny fanadihadiana...

  35. Episode # 16 : Fizarana faharoa - Ankoatry ny vola : inona no hamaritana ny fahombiazan'ny zanantsika ?

    Misaotra anareo niverina teto amin'ny lohahevitra mikasika ny fomba entina andrefesana ny fahombiazan’ny zanantsika ankoatry ny vola, izay andinihantsika ny tena dikan'ny hoe mahomby amin'ny fiainana ny zanatsika. Tamin'ny farany, dia niresaka momba ny hoe tsy ampy ho famantarana ny fahombiazana...

  36. Episode # 15 : Izaho ve "feministe" ?

    Amin'ity fizarana manokana ity dia horesahantsika ny antony mahatonga ny vehivavy maro—na dia ireo mino ny fitovian-jon'ny lahy sy ny vavy aza—no misalasala ny miantso ny tenany ho feministe. Hiresaka ny antony mahatonga izay fisalasalana manodidina ny feminisma izay isika, manomboka amin'ny...

  37. S1 : Ep #14 : Ankoatry ny vola : inona no hamaritana ny fahombiazan'ny zanantsika ?/Au-delà de l'argent : qu'est-ce qui définit la réussite de nos enfants ?

    MG: Amin'ity fizarana voalohany amin'ny lohahevitra vaovao mitondra ny lohateny hoe : “Ankoatry ny vola, inona no hamaritana ny fahombiazan’ny zanantsika?” ity dia horesahana ny famaritan'ny fiarahamonina ny fahombiazana, izay matetika mifototra amin'ny harena ara-materialy sy ny asa. Nahoana…

    more
  38. Episode # 13 : Part 3: Fehiny - Vola, fitiavana, ary fahefana

    (Fizarana farany) Ao amin’ity episode vaovao eto amin’ny Ariravavy ity dia hamarana ny lohahevitre "Vola, Vehivavy ary Fahefana" isika ka hiresaka momba ny fomba ahafahantsika manome fitaovana ho an’ny taranaka mandimby indrindra ny zanatsika vavy mba hananganana harena — tsy harena ara-bola...

  39. Episode # 13 : Part 2: Fehiny - Vola, fitiavana, ary fahefana

    (Tohiny) Ao amin’ity episode vaovao eto amin’ny Ariravavy ity dia hamarana ny lohahevitre "Vola, Vehivavy ary Fahefana" isika ka hiresaka momba ny fomba ahafahantsika manome fitaovana ho an’ny taranaka mandimby indrindra ny zanatsika vavy mba hananganana harena — tsy harena ara-bola fotsiny, fa...

  40. Episode # 13 : Part 1: Fehiny - Vola, fitiavana, ary fahefana

    Ao amin’ity episode vaovao eto amin’ny Ariravavy ity dia hamarana ny lohahevitre "Vola, Vehivavy ary Fahefana" isika ka hiresaka momba ny fomba ahafahantsika manome fitaovana ho an’ny taranaka mandimby indrindra ny zanatsika vavy mba hananganana harena — tsy harena ara-bola fotsiny, fa harena...

  41. Episode # 12 : Ndao hifampizara ny manta sy ny masaka

    Amin'ity episode fa 12 ity dia hiresaka zavatra maro aho toy : - Ny fanambadian'ilay olona anisan'ny manankarena indrindra eto an-tany - Ny faha 65 ny nazahoan'ny Madagasikara ny fahaleovantena - Ny fitaizana sy ny fialan-tsasatra - sns.... Fizarana ny andavan'androm-piainako no tena resahako...

  42. S1 : Episode # 11 :Ny fifandraisan’ny vola sy ny fitiavana./ La relation entre l'argent et l'amour

    MG: Efa nanontany tena ve ianao hoe tena tia ahy tokoa ve ny olon-tiako na ny vadiko sa miaraka amiko fotsiny noho ny fananako enti-manana na vola ? Na koa mifamadika amin’izay? Amin’ity fizarana mbola ao anatin’ny lohahehitra mikasika ny “Vehivavy, Vola, sy Fahefana” ity dia hiresaka indray…

    more
  43. Episode # 10 (Part 2) :Fitiavana sy Vola : Fa maninona no mbola ilaina ny fahaleovan-tena ara-bola rehefa mizara vola amin’ny olon-tiana?

    Ao anatin’ity episode ity dia handinika lalindalina kokoa isika momba ny dikan’ny fahafahana na "agency" ho an’ny vehivavy:Inona no dikan’izany rehefa mitambatra amin’ny fitiavana sy vola ? Raha milaza isika hoe: “izay ananako, ananantsika” na ko hoe " ny volako dia volanao ihany"…— mbola ilaina…

    more
  44. Episode # 10 ( Part 1) :Fitiavana sy Vola : Fa maninona no mbola ilaina ny fahaleovan-tena ara-bola rehefa mizara vola amin’ny olon-tiana?

    Ao anatin’ity episode ity dia handinika lalindalina kokoa isika momba ny dikan’ny fahafahana na "agency" ho an’ny vehivavy: Inona no dikan’izany rehefa mitambatra amin’ny fitiavana sy vola ? Raha milaza isika hoe: “izay ananako, ananantsika” na ko hoe " ny volako dia volanao ihany"… — mbola…

    more
  45. Episode #9 :Ny maha zava-dehibe ny fizakan-tena ara-bola ho an’ny vehivavy

    Ao amin’ity fizarana faha 9 ity dia hiresaka momba ny maha zava-dehibe ny fizakan-tena ara-bola ny vehivavy isika. “Ny hery lehibe indrindra ho an’ny vehivavy iray dia ny fahaleovantena ara-bola, mba hahatonga ny fitiavana ho safidy fa tsy ho paik’ady ho amin’ny fahavelomana.” Inona no…

    more
  46. Episode # 8 : Hande hiala sasatra hiaraka amin'ny ankizy : ahoana no hatao ?

    Amin’ity fizarana fahavalo eto amin’ny Ariravavy ity isika dia hiresaka momba ny fitsangatsanganana miaraka amin’ny ankizy sy zazakely . Fomba hanomanana entana arakaraka ny taonan’ny zaza Zavatra tena ilaina entina amin’ny fiaramanidina sy fiara Fomba hisafidianana toerana fialan-tsasatra ho…

    more
  47. Special Episode : Fetin'ny reny

    Fehezam-bonikazo ho an'ireo reny rehetra !

  48. Episode # 7 : Ny fanalan-jaza - ndao resahana -

    Ao anatin’ity episode faha 7 ity dia hiresaka manokana isika ny vesatra manodidina ny fanalan-jaza, ny vohoka tsy iriana , ary ny fahabevokana ivelan’ny fanambadiana. Inona ny zava-misy mangiana hiainan’ny vehivavy Malagasy : ny fitsarana, ny fanavakavanahana, ny tsy fahampian’ny fiarovana, ny…

    more
  49. Episide # 6 : Fikarakarana tena ho an'ny vehivavy manodidina ny 30 taona

    Amin’ity episode faha 6 ity dia hiresaka indray isika momba ny fikarakana tena ho antsika 30 taona sy ny manodidina. Horesahana amin’izany ny fifandraisan’ny asa sy ny fahasalamana, eo ihany koa ny fahasalamana ara-pananahana, ny fanambadiana , ny fitiavana ary ny fiarahana, ny paika’ady...

  50. Episode # 5 : Ireo fahatsapana mangina tsy dia resahina ampahibemaso

    Amin'ity herinandro ity dia hanao tora-po kely aho ao anatin’ity episode faha 5 ity. Ho antsika vehivavy izay tia ny fiainany sy feno fankasitrahana nefa mbola maniry bebe kokoa. Ho antsika indraindray izay mahatsapa ho diso noho ny faniriana bebe kokoa, na koa mahatsapa ho irery na dia...

Type above to search every episode's transcript for a word or phrase. Matches are scoped to this podcast.

Searching…

We're indexing this podcast's transcripts for the first time — this can take a minute or two. We'll show results as soon as they're ready.

No matches for "" in this podcast's transcripts.

Showing of matches

No topics indexed yet for this podcast.

Loading reviews...

ABOUT THIS SHOW

Tonga soa eto amin'ny AriraVavy :podcast malagasy hanomezana sehatra ny tontolo manodidina ny maha vehivavy sy maha reny . Ny vehivavy tsirairay dia manana tantara azo zaraina. Ndao ary hiaraka amiko, Rasoa, amin'ity sehatra vaovao ity . Mihainoa finaritra o ! Welcome to AriraVavy: a space where we celebrate the stories of women, weaving together the threads of womanhood, motherhood, culture, and identity. Every woman has a story, and every mother carries a legacy. Join me, Rasoa, as we embark on today’s journey of discovery, connection, and empowerment.

HOSTED BY

Rasoa

Frequently Asked Questions

How many episodes does AriraVavy have?

AriraVavy currently has 58 episodes available on PodParley. New episodes are automatically indexed when they're published to the podcast feed.

What is AriraVavy about?

Tonga soa eto amin'ny AriraVavy :podcast malagasy hanomezana sehatra ny tontolo manodidina ny maha vehivavy sy maha reny . Ny vehivavy tsirairay dia manana tantara azo zaraina. Ndao ary hiaraka amiko, Rasoa, amin'ity sehatra vaovao ity . Mihainoa finaritra o ! Welcome to AriraVavy: a space where we...

How often does AriraVavy release new episodes?

AriraVavy has 58 episodes. Check the episode list to see recent publication dates and frequency.

Where can I listen to AriraVavy?

You can listen to AriraVavy on PodParley by clicking any episode. We provide an embedded audio player for direct listening, and you can also subscribe via your preferred podcast app using the RSS feed.

Who hosts AriraVavy?

AriraVavy is created and hosted by Rasoa.
URL copied to clipboard!