AriraVavy podcast artwork

PODCAST · society

AriraVavy

Tonga soa eto amin'ny AriraVavy :podcast malagasy hanomezana sehatra ny tontolo manodidina ny maha vehivavy sy maha reny . Ny vehivavy tsirairay dia manana tantara azo zaraina. Ndao ary hiaraka amiko, Rasoa, amin'ity sehatra vaovao ity . Mihainoa finaritra o ! Welcome to AriraVavy: a space where we celebrate the stories of women, weaving together the threads of womanhood, motherhood, culture, and identity. Every woman has a story, and every mother carries a legacy. Join me, Rasoa, as we embark on today’s journey of discovery, connection, and empowerment.

  1. 54

    Storytime C-section awareness : Ny tantaran'ny fiterahako / L'histoire de ma césarienne

    MG: Inona marina no dikan'ny hoe miteraka? Ny fanosehana ve? Ny fanaintainana ve? Ilay fotoana andrenesanao iny tomany voalohany iny ve? Ahoana raha tsy nahatsiaro tena mihitsy ianao nandritra izany rehetra izany?Amin'ity fandaharana manokana ity dia zaraiko ny tantaran'ny fandidiana ahy (césarienne) tampoka, fiterahana izay tsy hitako, tsy reko, ary tsy tsapako. Nomena fanafody fampatoriana tanterake aho nandritra ny fahatongavan'ny zanako teto an-tany. Ary rehefa tafaverina tao an-trano aho, dia tsy fanohanana loatra no niandry ahy, fa fanakianana."Tsy nahay nanosika angaha ianao? Fa maninona no navelanao hataon-dry zareo an'izany ianao? Efa noteneniko ianao mba handehandeha. Nisakafo be loatra ianao."Ireo no teny reko avy tamin'ny manodidina ahy. Ary fantatro fa nibitsibitsika tany ambadika tany ny olon-drehetra.Madagasikara, firenena niaviako, dia mbola misy henatra sy fanilikilihana lehibe mahakasika ny fiterahana amin'ny alalan'ny fandidiana. Ny vehivavy izay tsy miteraka "araka ny tokony ho izy" dia matetika heverina ho kamo, osa, na tsy nahomby. Saingy tsy any ihany no misy an'io finoana io fa misy izany eny anivon'ny fiarahamonina manerana izao tontolo izao.Amin'ity fizarana ity dia horesahako:Izay tena zava-mitranga mandritra ny fandidiana maika nahazo ahyNy vesatra ara-batana sy ara-tsaina amin'ny fahasitranana aorian'ny fandidianaNy zava-misy manaporofo fa manavotra aina ny fandidianaNy antony maharatsy ny fanilikilihanaIzay tokony holazain'ny fianakaviana (sy izay tsy tokony holazaina) amin'ireo reny niteraka tamin'ny alalan'ny fandidianaHafatra ho an'ny vehivavy rehetra izay mba efa nanontany tena raha "tena" niteraka tokoa izy ireoIty fizarana ity dia natokana ho an'ny Volana fampahafantarana momba ny fandidiana (C-Section Awareness Month). Natao ho an'ireo reny nifoha tao anatin'ny fahasahiranana ara-tsaina ka nanontany tena hoe aiza ny zanany . Natao ho an'ireo vehivavy mitondra fery tsy hita maso miaraka amin'ireo takaitra hita ety ivelany. Ary ho an'izay rehetra efa nampahatsiahivina fa hoatry ny tsy ampy maha-reny azy noho ny fomba nahaterahan'ny zanany.Niteraka ny zanakao ianao. Dia izay.FR: Qu'est-ce qu'accoucher » veut dire? Est-ce pousser ? La douleur ? Le moment où vous entendez ce premier cri de bébé? Et si vous n'étiez pas réveillée pour vivre tout ça ?Dans cet épisode très personnel, je partage l'histoire de ma césarienne d'urgence, un accouchement que je n'ai ni vu, ni entendu, ni ressenti. J'étais sous anesthésie générale pendant que mon bébé venait au monde. Et quand je suis finalement rentrée chez moi, je n'ai pas été accueillie mais parents.À Madagascar, d'où je viens, les césariennes sont lourdement stigmatisées. Les femmes qui n'accouchent pas "naturellement" sont souvent perçues comme faibles, paresseuses ou incapables. Mais cette croyance n'est pas propre à mon pays, elle existe dans des communautés du monde entier.Dans cet épisode, je détaille :Ce qui se passe réellement lors d'une césarienne d'urgenceLe poids physique et émotionnel de la convalescence après une césarienneLes faits prouvant que les césariennes sauvent des viesPourquoi cette stigmatisation est nocive Ce que les familles devraient dire (et ne pas dire) aux mères ayant subi une césarienneUn message pour toutes les femmes qui se sont un jour demandé si elles avaient "vraiment" accouchéCet épisode s'inscrit dans le cadre du Mois de sensibilisation à la césarienne. Il est dédié aux mères qui se sont réveillées confuses en se demandant où était leur bébé. Il est pour les femmes qui portent des blessures invisibles à côté de leurs cicatrices visibles. Et il s'adresse à toute personne à qui l'on a déjà fait sentir qu'elle était "moins mère" en raison de la façon dont son enfant est né.Vous avez mis votre bébé au monde. Point final.

  2. 53

    Special Episode : Ny Fijalian'ny olombelona / Remettre en question la "sainte souffrance" avec Pasteur Hubert Rakotoarivony

    MG: Azo heverina ho fahamasinana ve ny fijanonana anaty fiarahana na fanambadiana feno herisetra sy mandratra raha toa inoanao ho fa fanomezana avy amin'Andriamanitra ilay olon-tianao, ary miampy ny fanantenana fa mbola hiova izy any aoriana any? Efa an-taonany maro no nibahana tao an-tsaiko io fanontaniana io. Amin'ity fotoana ity dia miverina miresaka amin'ny Pasitera Hubert aho handinihana ny fomba fijeriny momba ity lohahevitra ity. Ny resadresaka ataonay dia hikasika ihany koa ny votoatin'ny fijalian'ny olombelona sy ny tsy fahombiazan'ny fiangonana tamin'ny fitarihana sy fanoroana hevitra araka ny tokony ho izy ireo lehilahy sy vehivavy nandia ireny trangan-javatra ireny.FR: Est-il considéré comme saint de rester dans une relation abusive ou toxique si l'on est animé par la conviction que son partenaire est un don de Dieu et par l'espoir d'un changement futur ? Cette interrogation occupe mes pensées depuis des années. Dans cette session, je retrouve Pasteur Hubert pour explorer son point de vue sur ce sujet. Notre discussion abordera également la nature de la souffrance humaine et les façons dont l'Église a échoué à accompagner de manière adéquate les hommes et les femmes à travers ces expériences.

  3. 52

    Saison 3 : Episode #3 : Fijoroana amin'ny safidy: Ny fitiavana sy ny maha-izy ny tena arak’izay tadiavinao/ Assumer ses choix : Naviguer l'identité et l'amour selon ses propres termes

    MG: Manao ahoana ny endriky ny fiainana feno rehefa tsy manaraka ilay lalana efa mahazatra ny maro? Amin'ity fizarana ity, dia manohitra ireo fitsipika sy lalana efa voasoratra mialoha ho an'ny vehivavy isika ary mandinika ny hakanton'ny fijoroana feno amin'ny safidy manokana. Miditra lalina amin'ny zava-misy iainan'ny mpivady tsy manan-janaka isika, miatrika ireo hevitra sy fitsarana avy any ivelany, manaisotra ireo zavatra noheverina fa fantatatra momba ny fitiavana maharitra, ary mampiorina ny fifandraisana amin'ny fifanajana sy ny safidy isan'andro.Mandinika ihany koa ireo fiovana lehibe eo amin'ny maha-izy ny tena ho an'ny vehivavy, indrindra ny tetezamita avy amin'ny fandraharahana mankany amin'ny asa anaty orinasa lehibe, hijerena izay tombony azo, izay very, ary ny fivoaran'ny fomba fahitana ny lanjan'ny tena mandritra izany dingana izany. Farany, miresaka momba ny fomba ahitana ny maha-vehivavy ivelan'ny maha-reny . Raha toa ianao ka miatrika fisalasalana momba ny ho avy na mamaritra indray ny dikan'ny fahalalahana sy ny fiadanana ho anao ankehitriny, dia ho anao mihitsy ity resadresaka ity.FR: À quoi ressemble une vie pleinement vécue lorsqu'elle ne suit pas la trajectoire attendue ? Dans cet épisode, nous remettons en question les scénarios traditionnels imposés aux femmes et explorons la beauté d'assumer fermement ses propres choix. Nous plongeons au cœur de la réalité d'un mariage sans enfants : faire face aux suppositions de l'entourage, désapprendre ce que nous pensions savoir sur la longévité en amour, et ancrer la relation dans le respect mutuel et le choix quotidien. Nous décortiquons également les profonds changements d'identité, plus précisément la transition de l'entrepreneuriat vers le monde de l'entreprise , en explorant ce que l'on y gagne, ce que l'on y perd, et comment notre estime de soi évolue au cours de ce processus. Enfin, nous discutons de la façon de trouver sa féminité entièrement en dehors du récit de la maternité. Si vous ressentez de l'incertitude face à l'avenir ou si vous cherchez à redéfinir ce que la liberté et la paix signifient pour vous aujourd'hui, cette conversation est faite pour vous.

  4. 51

    Saison 3 : Episode # 2 : Toekaren'ny fanaintainana sy tontolon'ny famoronana / De l'économie de la douleur à la créativité

    MG: Amin'ity fizarana ity, dia hiresaka manokana momba ny fifanadraisan'ny toekaren'ny fahasalamana (économie de la santé), sy ny politikam-panjakana, ary ny tena iainan'ny marary any Madagasikara, amin'ny alalan'ny fitantanana ny fanaintainana mitaiza (douleur chronique) sy ny fampiasana rongony ho fitsaboana (cannabis thérapeutique). Ny vahinintsika, izay mpikaroka ara-toekarena sy mpahay sary, dia namakafaka ireo fatiantoka ara-olombelona sy ara-bola tsy hita maso vokatry ny politikan'ny "soins palliatifs" ankehitriny ao Madagasikara. Horesahana ihany koa ny fifandonana eo amin'ny fahaiza-mandanjalanja ara-toekarena (rationalité économique) sy ny fitsarana an-tendrony, ny fahasahiana ara-tsaina (courage intellectuel) ilaina amin'ny fanaovana fikarohana amina vahaolana voarara, ary ny fomba ampiasana ny zava-kanto ho fiteny mifameno amin'ny angon-kevitra akademika sy ho fitaovana ilaina amin'ny fanoherana ara-politika.FR: Dans ce nouvel épisode, nous examinons de manière critique l'intersection de l'économie de la santé, des politiques publiques et des réalités des patients à Madagascar, à travers le prisme de la gestion de la douleur chronique et du cannabis thérapeutique. Notre invitée, naviguant entre la double identité de chercheuse en économie et d'artiste, décortique les coûts humains et financiers invisibles des politiques de soins palliatifs actuelles. Nous explorons les frictions entre la rationalité économique et les préjugés idéologiques, le courage intellectuel nécessaire pour mener des recherches sur des alternatives médicales restreintes, et la façon dont l'art sert à la fois de langage complémentaire aux données académiques et d'outil indispensable à la résistance politique.

  5. 50

    Saison 3: Episode # 1 : Fahasalamana ara-tsaina : ny tena zava-misy iainan'ny reny malagasy / Santé mentale : la réalité des mères malagasy.

    MG : Amin'ity fizarana vaovao amin'ny saison "Entre-nous" ity dia hiresaka lalina momba ny fahasalamana ara-tsain'ny reny any Madagasikara isika miaraka amin'i Dr. Kanto Rabemananjara. Na dia eo aza ilay fehezanteny fandre matetika hoe "tokony ho faly ianao satria fahasoavana ny zanaka," dia mbola maro ireo reny no miaritra irery ao anaty fahanginana noho ny henatra, ny tsindry ara-tsosialy, ary ny finoanoam-poana ny ady ara-tsaina manjo azy ireo. Mamakafaka ny tena zava-misy iainan'ny reny Malagasy isika, manomboka amin'ny fiantraikan'ny fahantrana sy ny dona, ka hatramin'ny tena dikan'ny fanohanana ara-pihetseham-po avy amin'ny vady sy ny fiarahamonina. Fizarana manasa antsika handrava ny fahanginana sy hijery izay tena ao ambadik'ilay tsiky izy ity, sady manasongadina ny maha-zava-dehibe ny fihainoana tsotra sy ny fangorahana ireo reny manodidina antsika.FR: Dans ce nouvel épisode de la saison "Entre-Nous", nous explorons en profondeur la santé mentale maternelle à Madagascar avec la Dr. Kanto Rabemananjara. Bien que l'on entende souvent la phrase "tu devrais être heureuse car un enfant est une bénédiction", de nombreuses mères continuent de souffrir seules en silence, étouffées par la honte, la pression sociale et les croyances populaires après l'accouchement. Nous analysons la réalité complexe que vivent les mères malgaches, de l'impact de la pauvreté et des traumatismes jusqu'au rôle crucial du soutien émotionnel apporté par le partenaire et la communauté. Cet épisode nous invite à briser le silence et à regarder ce qui se cache vraiment derrière le sourire, tout en soulignant l'importance de l'écoute bienveillante et de la compassion envers les mères.

  6. 49

    Saison 2: Episode 17 : Fehiny : Fiverenana amin'ny tena /

    MG : Amin'ity fizarana farany ity, dia hiala amin'ireo teny filamatra manome hery sy ireo vahaolana vonjimaika isika, mba handinika ny tena dikan'ny hoe miverina amin'ny vatanao, tsy ho toy ny tetikasa mila havorariana, fa ho toy ny fifandraisana tokony haorina indray.Hiresaka momba ny fampiasana ny fahalianana isika fa tsy ny fanitsiana hatrany. Momba ny famelanao ny tenanao handeha tsikelikely ao anatin'ny fiaraha-monina izay maimaika amin'ny fanasitranana. Momba ilay asa mangina amin'ny fanadinoana ireo zavatra nahazatra teo aloha—tsy ny zavatra inoana ihany, fa ireo fihetsika mandeha ho azy. Momba ny antony mahatonga ny fahatsapana ho voaaro tsy ho rendrarendra, fa fototra iankinan'ny zava-drehetra. Ary momba ny fahatokisan-tena: ny fomba anorenana azy, tsy amin'ny alalan'ny fanononana teny tsara fotsiny, fa amin'ny alalan'ireo fotoana kely anajanao izay zavatra efa fantatrao ao am-ponao.Ity dia tsy momba ny hoe tsy maintsy tonga amina tanjona iray. Fa momba ny maha-eto sy ankehitriny. Momba ny fandraisanao ny tenanao teo amin'izay tena misy anao nefa tsy mitaky fiovana avy hatrany.FR: Dans ce dernier épisode, nous nous éloignons des slogans de motivation et des discours de solutions miracle pour explorer ce que signifie réellement le fait de revenir à votre corps , non pas comme un projet à perfectionner, mais comme une relation à reconstruire.Nous parlons de privilégier la curiosité plutôt que la correction. De s'autoriser à prendre son temps dans une culture qui précipite la guérison. Du travail ingrat qui consiste à désapprendre , non seulement des croyances, mais aussi des réflexes. C'est la raison pour laquelle le sentiment de sécurité n'est pas un luxe, mais le socle sur lequel tout le reste repose. Et de la confiance en soi : de la façon dont elle se construit non pas à coups d'affirmations, mais à travers de petits moments où l'on honore ce que l'on sait déjà.L'idée n'est pas d'arriver quelque part. Il s'agit de présence. De vous accueillir là où vous en êtes sans exiger de transformation au préalable.

  7. 48

    Episode Spécial IWD :Nahoana isika no mbola voagejan’ny "fotsy fisainana"? /NOIR ET FIER : Pourquoi a-t-on encore le « cerveau blanchi » ?

    MG: "Fa maninona no vao fotsy vao lazaina fa 'madio' na 'voadio'?"Amin'ity fizarana ity, hiditra lalina amin'ny lohahevitra somary mampangirifiry isika: Ny fomba ampitiavan'ny rafitra antsika ny "fotsy" sy ampanetrena antsika ny "mainty". Tsy resaka menaka fotsiny ity, fa resaka fanjanahan-tsaina mbola mamatotra ny Malagasy maro mandraka ankehitriny.Nahoana ny "fotsy tarehy" no heverina ho fiderana farany ambony, fa ny "mainty" kosa asiana "nefa" vao lazaina fa tsara? Nahoana isika no menatra amin'ny volontsika, ny tenintsika, ary ny lokon-koditra nianaran'ny masoandro?Ity podcast ity dia fampieritreretana ho an'izay rehetra mbola mihevitra fa mila manakaiky ny "fotsy" vao manana lanja. Tsy mila manova loko ianao vao ho sarobidy.FR: « Pourquoi faut-il être "clair" pour être considéré comme "propre" ou "raffiné" ? »Dans cet épisode, on plonge dans un sujet qui gratte là où ça fait mal : la colonisation de notre regard. On ne parle pas juste de crème éclaircissante, on parle de ce complexe d'infériorité qui pousse encore trop de Malgaches à courir après un idéal qui n'est pas le nôtre.Pourquoi le « blanc de peau » est-il devenu le compliment ultime, alors que pour le « noir », on ajoute toujours un « mais » ? (« Noir, MAIS joli »). Pourquoi a-t-on appris à avoir honte de nos cheveux crépus, de notre langue et de notre peau embrassée par le soleil ? Ce podcast est un électrochoc pour quiconque pense qu'il faut se rapprocher de « l'Occident » pour avoir de la valeur. Tu n'as pas besoin de changer de couleur pour être quelqu'un.Écoute ça si tu es prêt à briser tes propres chaînes. Aimons notre peau, sans aucun « mais ».

  8. 47

    Saison 2 Episode 16 :Ny Maha-Reny sy ny Firaisana: "Manao ahoana ny filanao ara-nofo aorian'ny fiterahana? /Maternité & Sexualité : Que devient le désir après l'arrivée des enfants ?

    MG : Inona no mitranga amin'ny faniriana/ filana rehefa lasa reny ianao? Ny tena marina dia matetika izy io manjavona, ary tsy misy mampitandrina anao mialoha.Ity fandaharana ity dia miresaka momba ny fahanginana momba ny firaisana ara-nofo aorian'ny fiterahana, mamakafaka ny zava-drehetra manomboka amin'ny ratra ara-batana sy ara-tsaina vokatry ny fiterahana, ny fiovan'ny hormonina, ka hatramin'ny faharerahana tafahoatra, ny fahatsapana ho meloka, ary ny tsindry mahazo ny reny mba ho vonona foana ara-nofo na dia eo aza ny vesatra mavesatra tsy takatry ny saina zakain'izy ireo.Hiresaka momba ireo toe-javatra maharary antsika isika: ny vatana izay sasatra sy leo fikasihana, sy ny firaisana izay lasa adidy fotsiny fa tsy fampiraisam-po intsony. Saingy mitondra fanantenana ihany koa ilay resaka satria tsy hoe foana mandrakizay akory ny faniriana/ filana. Miova endrika fotsiny izany. Ary azo atao tsara ny mamerina izany indray.Na reny vao niteraka ianao, na efa an-taonany maro no nitaiza, na vady miezaka ny hahatakatra, ity fandaharana ity dia hanova ny fomba fijerinao momba ny maha-reny sy ny fifandraisana akaiky eo amin'ny mpivady.FR : Que devient le désir lorsqu'on devient mère ? La réponse honnête : bien souvent, il disparaît et personne ne vous prévient.Cet épisode brise le silence sur la sexualité post-partum, en explorant tout : des traumatismes de l'accouchement et des bouleversements hormonaux jusqu'à l'épuisement, la culpabilité et la pression que subissent les mères malgaches pour rester sexuellement disponibles alors qu'elles portent des fardeaux insurmontables.Nous abordons des vérités douloureuses : la saturation du contact physique, et le sexe qui devient une obligation plutôt qu'un moment de connexion. Mais nous apportons aussi de l'espoir car le désir n'est pas perdu pour toujours. Il se transforme. Et il est possible de se le réapproprier.Que vous soyez une jeune maman, mère depuis des années, ou un partenaire qui cherche à comprendre, cette conversation changera votre regard sur la maternité et l'intimité.

  9. 46

    Saison 2: Episode # 15Ny Fahafinaretana sy ny Elanelana eo amin'ny Fahatongavana /Le Plaisir et le Fossé Orgasmique

    MG : Amin'ity fandaharana ity dia hiresaka momba ny lohahevitra iray lehibe kanefa matetika tsy resahina isika: maninona no vitsy kokoa ny vehivavy tonga (orgasme) mandritra ny firaisana raha ampitahaina amin'ny lehilahy?Hofakafakaintsika io elanelana io mba hanazavana fa tsy ny vatanao no misy olana, fa ny kolontsaina sy ny fomba nampianarana antsika.Hojerentsika ny fomba fifantohana fotsiny ny firaisana ara-nofo amin'ny fidiran'ny filahiana fotsiny, sady nanadino fa mila fanaitairana ivelany (clitoris) ny ankamaroan'ny vehivavy vao mahazo fahafinaretana feno. Hiresaka ihany koa isika momba ny maha-zava-dehibe ny fahatsapana filaminana ara-pihetseham-po mba hahafahana miala sasatra sy mankafy. Ny tena tanjona dia ny hampahatsiahy anao fa raha sarotra aminao ny tonga, dia tsy misy simba akory ianao fa ny fomba fijery mahazatra no mila ovaina.FR : Dans cet épisode, nous abordons une question essentielle mais souvent ignorée : pourquoi les femmes atteignent-elles l'orgasme beaucoup moins souvent que les hommes lors des rapports hétérosexuels ? Nous décortiquons le « fossé orgasmique » pour révéler qu'il ne s'agit pas d'un problème biologique, mais d'un problème culturel.Nous explorons comment l'éducation sexuelle et les médias ont centré la pénétration comme l'acte principal, ignorant le fait que la majorité des femmes ont besoin d'une stimulation clitoridienne pour jouir. Nous discutons également de l'importance cruciale de la sécurité émotionnelle pour permettre au corps de « lâcher prise ». Surtout, cet épisode est là pour vous rappeler que si vous avez du mal à finir, vous n'êtes pas "cassée" ,c'est le système qui l'est.

  10. 45

    Saison 2 : Episode # 14 : Sarintsarina fahafinaretana entina hanomezana toky ny olon-tiantsika / Simuler le plaisir pour rassurer nos partenaires

    MG : Maro amintsika ny mbola tsy noterena hanao firaisana, nefa betsaka ihany koa no nanao firaisana nefa tsy tena naniry izany tao am-po. Amin'ity fizarana ity, dia hiresaka amim-pahasahiana momba ilay "firaisana atao noho ny adidy" isika, izay matetika mitranga mba hisian'ny filaminana ao an-tokantrano. Hodinihintsika ny maha-samihafa be ny hoe "manaiky fotsiny" sy ny hoe tena "maniry sy mangetaheta" avy any anaty.Fotoana izao hitsaharana amin'ny fanaovana sarin-tsehatra mba hampifaliana ny hafa. Ny fitiavana ve dia midika fa tsy maintsy manolotra ny vatana na dia tsy te hanao aza?. Tsy "simba" na "marary" ianao raha tsy mazoto, fa mety miaro tena ny vatanao. Henoy ary ny andinindininy ! FR : On ne vous a jamais forcée à faire l'amour, mais vous avez déjà aussi fait l'amour sans en avoir vraiment envie. Dans cet épisode intime, nous brisons le silence sur le « sexe de maintenance » et ce sentiment d'obligation qui s'installe dans les relations de longue durée. Nous explorons la différence cruciale entre le consentement (dire oui) et le désir véritable (ressentir la faim).Il est temps d'arrêter de simuler le plaisir pour rassurer nos partenaires et de se poser la question radicale : l'amour signifie-t-il vraiment devoir sacrifier son propre corps ?. Rejoignez-nous pour découvrir pourquoi votre absence de désir n'est pas un défaut, mais peut-être une protection.

  11. 44

    Saison 2 : Episode # 13 : Ny fahanginana manodidina ny firaisana ara-nofo sy ny fananahana / Le silence autour du sexe

    MG : Ity fizarana ity no fototry ny andiany iray manontolo mikasika ny fananahana sy ny firaisana ara-nofo, satria dia horesahina eto ny zavatra tsy resahina mihitsy: ny firaisana ara-nofo ao anatin'ny fiaraha-monina Malagasy, indrindra ho antsika vehivavy. Maro ny hafatra tsy voateny tenenina fa voarain'ny zazavavy rehefa lehibe avy amin'ny fiaraha-monina mikasika ny faniriana (desir) , ny fomba fitondrana ny vatana, ary ny tosika mavesatry ny hoe "vehivavy tsara sy mendrika." Noho io fahanginana io, ny fanambadiana, na ny fiarahana voalohany dia lasa "efitrano fianarana voalohany" momba ny firaisana, mitarika fisafotofotoana, tahotra, henatra, ary fahalianana indraindray. Nahoana no mampidi-doza ny tsy fananana fiteny hamaritana ny vatana sy ny faniriana? Ary iza no tena mahazo tombony amin'izany fahanginana izany? Fanombohana ny dia hitadiavana ny teny ilaina sy handravana ny fahanginana ity fizarana ity. Mihainoa finaritra o! FR: Cet épisode est le fondement de toute la série sur la sexualité et le sexe, car il aborde ce dont on ne parle jamais : la sexualité au sein de la société malgache, en particulier pour nous les femmes.Les filles reçoivent de la société de nombreux messages tacites en grandissant concernant le désir, la façon de se comporter avec leur corps, et la lourde pression d'être une « femme bonne et respectable ». En raison de ce silence, le mariage ou la première relation devient la « première salle de classe » sur le sexe, entraînant parfois confusion, peur, honte et curiosité.Pourquoi est-il dangereux de ne pas avoir de langage pour décrire son corps et son désir ? Et qui profite réellement de ce silence ?Cet épisode marque le début d'un voyage pour trouver les mots nécessaires et briser le silence. Bonne écoute !

  12. 43

    Saison 2 : Episode # 12 : Inona marina ilay tena vadinao rehefa manambady ianao ?Qui est réellement la personne que vous épousez ?

    MG : Aleon'ny olona manontany hoe: "Rahoviana ny mariazy?" toy izay manontany hoe: "Efa hitanao ve ny efitranon'izy io rehefa tsy ampoiziny hoe hisy olona ho avy hitsidika izy?"Horesahintsika eto ireo zavatra 5 tokony horesahan'ny mpifamofo nefa dinganina matetika alohan'ny fanambadiana, ary ny fomba fandalinana azy ireo tsirairay. Manomboka amin'ny fomba fijery ny vola, ny fetra apetraka amin'ny fianakaviana, ka hatramin'ny fomba fitantanana ny torimaso sy ny fomba fiainana; ity no "sedra" ho an'ny fiarahanareo.Tsotra kokoa ny manao an'ireo resaka ireo alohan'ny hidiranan lalina, toy izay any amin'ny biraon'ny mpisolovava any aoriana any.FR : Tout le monde demande : « C’est pour quand le mariage ? » Mais personne ne demande : « Est-ce que tu as vu l’état de sa chambre quand il pense que personne ne va passer ? »Nous allons passer en revue les 5 points que les couples négligent trop souvent avant de se dire « oui » , et exactement comment les passer au crible. De la philosophie financière aux limites avec la belle-famille, en passant par la gestion du sommeil et du stress : voici votre « stress test » préconjugal.Parce qu’il vaut mieux avoir ces conversations maintenant que dans le cabinet d’un avocat plus tard.Mihainoa finaritra o!

  13. 42

    Saison 2: Episode # 11 :Za’ tsy mpiasanao, ny resaka silipo sy ny tokantrano malagasy

    Hitanao ve ilay lisitra nalaza be nataon'i Preta Suarez iny? Ilay izy mitaky lehilahy mikarama 20 Tapitrisa Ariary, mody ara-potoana foana, sy ilay hoe tsy manasa ny silipony izy?Maro tamin'ny teo amin’ny tambazotra no nilaza fa manonofy atoandro izy. Fa amin'ity épisode ity, handalina fijery hafa kokoa isika. Tsy hanakiana fotsiny ilay lisitra isika, fa hamakafaka ny tena dikan'ireo manoloana ny zava-misy iainan'ny mpifankatia/mpivady eto Madagasikara ankehitriny.Hojerentsika akaiky ny kajikajy ao ambadik'izany "Fiainana 20 Tapitrisa" izany, toy ny ahoana izany lehilahy izany, aiza izy no mipetraka, ary nahoana ny vehivavy mitady an'izany no mbola miasa saina amin'ny raharaha an-trano? Horesahintsika ilay "Paradoxe-n'ny Mpanampy", ilay hantsana goavana eo amin'ny fitadiavana lehilahy "mpamelona" sy lehilahy "namana" , ary nahoana no mety ho fanehoana ratram-po fotsiny ity lisitra ity manoloana ny lehilahy tsy hita ao an-trano sy zara raha manao ny adidiny. 

  14. 41

    Pasteur Hubert Rakotoarivony : Ahoana ny hampitana ny soatoavinao amin’ny taranaka sy miaina amim-pahamarinana?

    Amin'ity fizarana ity, nifampiresaka lalina tamin'i Pasteur Rakotoarivony aho momba ireo singa fototra ilaina amin'ny fiainana mba hampisy dikany ny fiainana. Nodinihinay ifotony ny antony mahatonga ny olona maro hahatsapa ho "very" na dia avara-pianarana sy tsara taiza aza, ary nametraka ity fanontaniana lehibe ity izahay: Nahoana ny fanabeazana no tsy mahavita mampianatra antsika hiatrika ny tena fiainana?Noresahinay ny anjara toerana lehibe raisin'ny finoana sy ny fitarihana (leadership), ary nodinihinay ny tena dikan'ilay hoe "ny marina hahafaka anareo." Tsy nijanona tamin'ny resaka harena ("richesse") fotsiny izahay, fa niresaka momba ny fomba fiaina amim-pahamarinana sy fahamendrehana, ary ny tena zava-dehibe: ny fomba hampitana izany soatoavina izany amin'ny taranaka mba hametrahana lova maharitra. Mihainoa finaritra o! 

  15. 40

    Saison 2 : Episode # 10 : Mivoady ny ho tia tena

    Amin'ity fizarana voalohany amin'ity taona vaovao ity dia hiresaka lohahevitra somary lalina isika: ny fitiavan-tena, izay miainga avy amin'ny bokin'i Kamal Ravikant sy ny tantarako manokana.Mizara ny ady noentiko hatramin'ny fahazazako aho: tena nankahala ny vatako satria nolazain'ny reniko fa "matavy" aho, be molotra, ary boribory tava "ohatry ny volana". Noho izany, dia niezaka mafy aho nanao "Zazavavy Tsara" (Good Girl) nihezaka ho tonga lafatra tamin'ny fianarana sy ny fitondran-tena satria nino aho hoe mila "miasa" vao mahazo ny fitiavan'ny ray aman-dreny.Miresaka momba ny fahasamihafana misy eo amin'ny fitaizana zazalahy sy zazavavy ihany koa aho amin'ity fandaharana vaovao ity: ny zazalahy matetika dia omena toky sy tiana amin'izay maha-izy azy izy, fa ny zazavavy kosa dia tsikeraina foana mba ho tonga lafatra.Ny tanjona anio dia ny hianarana mitia ny tenantsika amin'ny fomba marina, tsy miandry hoe "tonga lafatra" , mba hahafahantsika mampita izany fahatokisan-tena izany amin'ny zanatsika vavy. Mihainoa finaritra ary !

  16. 39

    Saison 2: Episode # 9: Fomba hafakely hiatrehana ny taona vaovao.

    Raha ianao ilay zatra mpanao resolution alohan'ny faran'ny taona, dia andramo indray ity fomba hafa ity ho an'ny tenanao. Henoy eto ary ny andinindininy. Mihainoa finaritra o !

  17. 38

    Saison 2 : Episode # 8: Ireo tombotsoa rehefa reny miasa VS ireo tombotsoa rehefa reny mikarakara tokantrano

    Ao anatin'ity episode ity dia mampitaha ireo tombotsoa manokana iainanan'ny reny miasa aho sy ny tombotsoa an'ireo reny misafidy ny hikarakara tokantrano. Samy manana ny hanitry ho azy izy ireo ary hitako hoe tsy dia tena azo ampitahaina loatra. Henoy eto aty ny andinindininy. Mihainoa finaritra ary o!

  18. 37

    Saison 2 : Episode # 7 : Inona no miandry anao rehefa sady miasa no manan-janaka ?

    Ny tatitra "Vehivavy eo amin'ny toeram-piasana 2025" (The 2025 Women in the Workplace report) dia milaza fa ny vehivavy dia "tsy ampy finiavana " . Nefa ny angon-kevitra nangoniny dia mitantara zavatra hafa tanteraka. Ity fizarana ity dia miresaka momba ireo zavatra tsy lazaina ampahibemaso mikasika ny iainan'ny vehivavy ao anaty toeram-piasana , indrindra rehefa manan-janaka : ny kajy rehetra tsy hita maso ataon'ny reny miasa isan'andro na ara-bola io, na ara-pihetseham-po izany na ara-pandaminana . Betsaka ny toeram-piasana izay mbola natao ho an'ny olona tsy manana adidy mikarakara ny zanany na ny manodidina azy mihitsy. Ka inona ary ny vahaolna ? Henoy eto amin'ny podcast ny tohiny.

  19. 36

    Mandray Vahiny : Hillary Roch :Reny : Ahoana no hitaizana tsy ampanerena sy ao anaty fahatokisan-tena

    Mandray vahiny : Hiresadresaka miaraka amin’i Hillary Rakotoniana isika amin’ity episode androany ity mikasika ny lohahevitra maro manodidina ny maha reny. Mizara amintsika izy mikasika ny fisafidianana ny hitaiza sy hanabe ny zanany amin’ny fomba izay hitany fa mety aminy sy ny zanany fa tsy amin’ny fomba efa fanao hatrizay sy fanaon’ny daholobe. Miresaka ihany koa izy mikasika ny fanomanana hatao alohan’ny fiterahana sy mandritra ary ao aoriana, ao anati’nizany ny maha zava-dehibe ny fikarakarana tena, ao ihany koa ny fifampizarana andraikitra amin’ny rain’ny zaza. Zava-dehibe hoy izy ny mahatoky tena na dia hoe tsy nianarana aza ny maha-reny sy ny mitaiza, zava-dehibe ihany koa ny fahaizana mijro ho an’ny tenanao voalohany indrindra sy ny safidinao na dia midika aza izany hoe miala amin’ny famaritan’ny fiaraha-monina ny hoe reny tsara ianao…Dans cet épisode de Mandray Vahiny du podcast , on s'attaque au fameux mythe de la maman parfaite  pour parler de la vraie vie : celle qui est imparfaite, parfois chaotique, mais tellement plus belle.  On parle de la parentalité, surtout comment éduquer autrement dans la société malagasy, qui se pose dès la grossesse, jusqu'à l'honnêteté brute de ce qu'on appelle le 'mode survie' post-partum.  L'idée ? Comprendre pourquoi il est urgent d'arrêter de chercher la validation à l'extérieur et apprendre à se faire confiance, à suivre notre instinct, et surtout, à assumer pleinement notre identité de mère  même si ça veut dire envoyer balader les standards de la 'bonne maman' imposés par la société. Écouter les détails dans le podcast. In this “Mandray Vahiny” episode with Hillary Rakotoniaina, we are tearing down the myth of the perfect parent and talking about the messy, beautiful reality of parenthood. We dive into everything from navigating parenting starting in pregnancy, to the brutal honesty of postpartum survival mode. We are also discussing why it is crucial to stop looking outwards for validation, and instead, to trust your gut, stand up for yourself, and truly embrace your identity as a mother even if that means saying goodbye to Malagasy’s society’s definition of a “good mom”.Page Facebook : https://www.facebook.com/ariravavy Instagram AriraVavy : https://www.instagram.com/ariravavy/ Instagram Hillary Rakotoniaina: https://www.instagram.com/hillaryroch/ 

  20. 35

    Saison 2 : Episode # 6 : Fanontaniana sarotra tokony hapetrakao amin'ny tenanao alohany hirosoana amin'ny fanambadiana

    Hiroso amin'ny fanambadiana ? Ireto ary misy fanontaniana tena sarotra mila anontanianao ny tenanao alohan'ny hirosoanao amin'ity fanapahan-kevitra iray lehibe ity. Mihainoa finaritra o !

  21. 34

    Saison 2 : Episode # 5 :“Dia nataoko ary izay tian’ny olona na tsy sitrapoko aza…”

    Ity episode ity dia aingam-panahy avy amin'ny hiran'i Bolo, izay miresaka ny ady anaty sedrain'ny tanora Malagasy maro: ny fanerena ara-tsosialy sy ara-bola hisafidy ny ho "Lakana" (fahombiazana manjelanjelatra, fandehanana any ivelany,...) na dia mifanohitra amin'ny hetahetan'ny fo aza. Asongadiko eto fa ny fisafidianana ny maha "Ravitoto" izany hoe ny mijanona ho tsotra, mifikitra amin'ny soatoavina gasy, ary mahatoky amin'ny tena dia tsy faharesena fa mariky ny herim-po sy fahasahiana lehibe. Mampahatsiahy antsika ny hafatra fa tsy voatery ho lakana foana isika vao hisy lanjany; ampy ary sarobidy ny maha-Ravitoto antsika. Henoy finaritra ary !

  22. 33

    Saison 2 : Episode # 4 : Tokony hianatra ve raha tsy te-hiasa fa hikarakara tokantrano ?

    Tena fandaniam-poana tokoa ve ny fianarana raha mifidy ny ho mpikarakara tokantrano ny vehivavy ? Na dia eo aza ny fatiantoka ara-bola sy ny fandaniana fotoa dia tsy fandaniana velively ny fianarana. Ny fahaizana azo tamin’ny fianarana dia ampiasaina isan’andro amin’ny fitantanana ny tokantrano, fandrindrana, sy fanampiana ny ankizy. Ny tanjona dia ny handà io fiheverana manery ny vehivavy hifidy io, satria sanda lehibe manatsara ny lalana rehetra safidin’ny vehivavy ny fianarana. Henoy eto ary ny tohiny!

  23. 32

    Saison 2 : Episode #3 :Ny olona rehetra dia afaka manao firaisaina , sy miteraka fa, tsy ny rehetra no afaka ho hikolokolo sy hitaiza ny zanaka naterany ….

    Ity episode ity dia fandinihan-tena manokana lalina sy tena marina momba ny ady , ny fisalasalana , ary ny antony tsy tsapan'ny saina tafiditra ao anatin'ny maha-reny sy ny fitaizana, indrindra fa ao anatin'ny zavatra andrasan'ny kolontsaina Malagasy. Mihainoa finaritra ary o!

  24. 31

    Saison 2 Episode #2 : Misy fanantenana ny fanasitranana sy ny fitiavana ….

    Ity fizarana faharoa ity dia miditra lalina amin’ny asa mafy takiana rehefa tsy nanana fototra fitiavana marina ny olona iray nanomboka tamin’ny fahazazana . Tena ilaina ianarana ve ny mitia sa mandeha ho azy izany ? Ny valiny dia hoe safidy izany. Ny lalana mankany amin’ny fanasitranana dia asa mafy  sy dingana miandalana, izay mitaky ny fianarana an-tsitrapo ny fatorana azo antoka , ny fanekena ny ratra sy ny dona  nipoitra tamin’ny fahazazana , ary ny fampivelarana ny fahaizana mifehy ny fihetseham-po. Misy ireo  fahadisoana mahazatra toy ny fampifangaroana ny hamafin’ny fihetseham-po amin’ny fifandraisana lalina  na ny fijanonana ela loatra ao anatin’ny fiarahana manimba satria zatra izany rehefa tsy niaina fitiavana tena marina. Farany dia  zava-dehibe ny famelana ny tena noho ny hadisoana natao tamin’ny fitadiavana fitiavana. Ny fanantenana dia na dia tena misy aza ny ratra , dia tsy voaozona  ianao ary afaka ny ho feno  sy miaina fitiavana marina amin’ny alalan’ny herim-po sy faharetana. Mazotoa mihaino o! 

  25. 30

    Saison 2 : Episode # 1 : "Tena Tiana: Hita sy Fantatra, nefa Nofidiana Foana

    Aona marina moa izany hoe tena tiana izany?, azo atao ve ny mampitaha azy amin'ny fitiavana zanaka izay tsy misy fepetra. Ny tena fitiavana dia midika hoe "hita" ilay tena maha anao anao—ilay ianao manana fahalemena, mikorontana, ary manana toetra mifanipaka, fa tsy ilay ianao miezaka mihatsara ivelany. Mahatsapa ho tiana ianao rehefa misy olona manaiky ny lesoka rehetra ao aminao ary tsy ampiasainy hamelezana anao izany. Ny anisan'ny manasarotra ny fahatsapana ho tiana dia ny fahazaran'ny olona maro manafina ny tena maha izy azy noho ny tahotra sao ho voahiliky ny fiarahamonina na sao dia hilaozan'ilay tiana rehefa hita ny toetrany. Henoy eto amin'ny podcast ary ny andinindininy ! Mihaonoa finaritra o!

  26. 29

    Saison 2 : "Humaine" - Intro

    Introduction AriraVavy Saison 2 "Humaine"

  27. 28

    Episode #19 : Aona no hatao hitiavana ireny vehivavy mahaleo-tena be loatra ireny ?

    Ny fitiavana vehivavy tena mahaleo tena dia tsy moramora — matanjaka izy, mahavita tena, ary matetika misalasala miankin-doha amin'olona. Fa ao ambadiky ny fahaleovan-tenany dia misy tantara, ary ny fianarana mitia azy dia mitaky faharetana, fanajana, ary fikarakarana amim-pahatsorana. Ao anatin'ity fizarana vaovao ity, dia hodinihintsika ny tena dikan'ny hoe manohana nefa tsy mifehy, ny hoe manao sy miteny zavatra nefa tsy mandiso fanantenana, ary ny hoe mankalaza ny herin'izy ireny nefa manaja ny maha-izy azy mangina sy tsy asehony ao anatiny. Miaraka amin'ny torohevitra azo ampiharina sy ohatra avy amin'ny tena fiainana, ity fizarana ity dia torolalana ho an'izay rehetra tia — na izy tenany mihitsy — vehivavy tena mahaleo tena. Mihainoa finaritra o!

  28. 27

    Episode # 18 :Ny kolontsainan'ny fahanginana momba ny fadimbolana

    Nahoana ny fadimbolana, izay tranga voajanahary sy iainan'ny vehivavy eran-tany, no mbola feno fahanginana, henatra ary fanilikilihana hatramin'izao?Amin'ity fizarana ity dia horesahana ny fomba fijery momba ny fadimbolana nanomboka tamin'ny vanim-potoana taloha ela be ka hatramin'ny ankehitriny. Hanehoantsika ny fomba nananganana ny fomba fijery sy ny fihetsika ataontsika, izay naterak'ireo fady maro samihafa, ny "fahalotoana", ary ny rafitra mifototra amin'ny lahy sy ny vavy, izay efa an-jatony taona maro.Hodinihina ihany koa ny antony mahatonga ny vehivavy matetika ampianarina hanao tsinontsinona ny vatany sy "hanery ny tenany" rehefa mahatsiaro fanaintainana mandritra ny fadimbolana. Horesahana ihany koa ny mahatonga azy io mametra ny fahafahana, ary manamafy ny tsy fitovian-jo eo amin'ny lahy sy ny vavy hatramin'izao.Hanasongadina ihany koa ny "tolona maneran-tany ho an'ny fadimbolana" sy ireo mpikatroka, mpanabe, ary olon-tsotra izay manohitra ny fady, mamotika ny fahanginana, ary mitaky fifanakalozan-kevitra vaovao, misokatra momba ny fadimbolana. Resaka tsy miolakolaka ny androany , ary mibanjina ny ho avy iahny koa entina hanova ny fomba fijery momba ny fadimbolana, ary hanova ny fomba firesaka momba ny fadimbolana. Mihainoa finaritra o !

  29. 26

    Episode # 17 : Firy taona no tokony hanambady ?

    Misy tokoa ve izany hoe taona tokony hanambadiana izany? Amin'ity episode ity, dia hifantoka amin'ny lafiny siansa sy ny zava-misy ary ny tantara isika, momba ny iray amin'ireo fanapahan-kevitra goavana indrindra eo amin'ny fiainana dia ny fanambadiana. Hojerena ao anatin'izany ny fanadihadiana momba ny fotoana tsara indrindra tokony hanambadiana, ny fivoaran'ny saina, ny fomba amam-panao, ary ny tahan'ny fisaraham-panambadiana eran'izao tontolo izao. Ho hitantsika fa ny fahalehibiazana ara-tsaina sy ara-pihetseham-po, ny fahatomombanana ara-bola, ary ny fahavononana marina amin'ny fiainam-panambadiana no tena zava-dehibe, fa tsy ny isa eo amin'ny karapanondro. Na mbola tsy manana olon-tiana ianao, na efa manana ianan na te hahafantatra fotsiny, dia ny taona tsara indrindra ho an'ny fanambadiana dia tsy mifandray amin'ny taona fa mifandray amin'ny fahavononana. Mihainoa finaritra o !

  30. 25

    Episode # 16 : Fizarana faharoa - Ankoatry ny vola : inona no hamaritana ny fahombiazan'ny zanantsika ?

    Misaotra anareo niverina teto amin'ny lohahevitra mikasika ny fomba entina andrefesana ny fahombiazan’ny zanantsika ankoatry ny vola, izay andinihantsika ny tena dikan'ny hoe mahomby amin'ny fiainana ny zanatsika. Tamin'ny farany, dia niresaka momba ny hoe tsy ampy ho famantarana ny fahombiazana fotsiny ny vola ary nahoana no ilaina ny mitaiza zanaka izay miroborobo amin'ny fomba hafa ankoatry ny fananana vola. Amin'ity herinandro ity, dia handinika fototry ny fahombiazana iray isika: ny fahasalamana ara-pihetseham-po sy ara-tsaina.Mba hanampiana ny zanakao hiatrika ny fiainana ary tsy ho very, dia ilainy ny manao ireto zavatra efatra ireto:Mampivelatra ny fahaizana mahafantatra sy mandrindra ny fihetseham-pony: Tsy tokony hilaza fotsiny hoe "aza mitomany" fa ampianaro izy ireo fomba ahafantarany ny zava-mitranga ao anatiny.Manangana faharetana sy toe-tsaina mihabo: Rehefa solafaka amin'ny fiainana izy ireo dia mila mahalala fa afaka mitraka hatrany.Mampiroborobo ny fahatsiarovan-tena sy ny hasiny: Tokony ho fantatry ny ankizy fa sarobidy izy ireo na dia amin'ny maha izy azy fotsiny aza.Mamboly fanana tanjona sy dikany eo amin’ny fiainana: Rehefa tia biby, ohatra, ny zanakao dia ampifandraiso amin'ny asa an-tsitrapo any amin'ny toeram-pialofana .Tadidio fa tsy zavatra vita ao anatin'ny herinandro izany. Ny zanakao dia mijery ny fomba hiatrehanao ny fiainanao. Raha hitany fa mahay mandrindra ny fihetseham-ponao amin'ny fahatsiarovan-tena sy fangorahana ianao, dia hianatra hanao toy izany koa izy ireo. Mihainoa finaritra ary e! 

  31. 24

    Episode # 15 : Izaho ve "feministe" ?

    Amin'ity fizarana manokana ity dia horesahantsika ny antony mahatonga ny vehivavy maro—na dia ireo mino ny fitovian-jon'ny lahy sy ny vavy aza—no misalasala ny miantso ny tenany ho feministe. Hiresaka ny antony mahatonga izay fisalasalana manodidina ny feminisma izay isika, manomboka amin'ny tahotra ny ho very ny maha-vehivavy ka hatramin'ny harerahana amin'ny fanaovana "izao rehetra izao" satria vehivavy. Horesahantsika koa ny hoe nahoana ny hetsika feminista indraindray no toa manery ny vehivavy ho "mafy", na hanilika ny kolontsaina netim-paharazana samihafa.Tsy fanilihana ny feminisma no tanjona eto akory, fa famporisihana antsika hihieritreritra lalindalina kokoa. Na mampiasa ny teny hoe feminista ianao na tsia, ny tena zava-dehibe dia ny soatoavina iainanao sy ny tontolo aorinao ho an'ny taranaka ho avy.Resaka momba ny feminisma, ny maha-vehivavy, ary ny fitadiavana ny lalanao manokana mankany amin'ny rariny sy hitsiny ity episode ity.Mazotoa mihaino o!

  32. 23

    Episode #14 : Fampidirana- Ankoatry ny vola : inona no hamaritana ny fahombiazan'ny zanantsika ?

    Amin'ity fizarana voalohany amin'ny lohahevitra vaovao mitondra ny lohateny hoe : “Ankoatry ny vola, inona no hamaritana ny fahombiazan’ny zanantsika?” ity dia horesahana ny famaritan'ny fiarahamonina ny fahombiazana, izay matetika mifototra amin'ny harena ara-materialy sy ny asa. Nahoana isika no tokony hijery ankoatr'ireo lafin-javatra ireo rehefa mamaritra raha tena "nahomby" tokoa ny zanantsika eo amin'ny fiainana?Hiditra lalina amin'ny antony mahatonga ny fifantohana tery amin'ny vola, ny fahefana, sy ny asa izay  mety hanakana ny zanatsika tsy hahita ny tena fahasambarana sy fahafaham-po eo amin'ny fiainana isika. Fotoana izao hanitara ny fomba fijerintsika ary hanomboka hamaritra indray ny tena fahombiazana ho an'ny taranaka mandimby. Mazotoa mihaino o! 

  33. 22

    Episode # 13 : Part 3: Fehiny - Vola, fitiavana, ary fahefana

    (Fizarana farany) Ao amin’ity episode vaovao eto amin’ny Ariravavy ity dia hamarana ny lohahevitre "Vola, Vehivavy ary Fahefana" isika ka hiresaka momba ny fomba ahafahantsika manome fitaovana ho an’ny taranaka mandimby indrindra ny zanatsika vavy mba hananganana harena — tsy harena ara-bola fotsiny, fa harena amin’ny safidy, amin’ny fahefana.Resahina eto ny antony mahatonga ny vehivavy mbola vitsy no manana harena be, ny fanamby ara-tantara sy ara-tsosialy, ary ny zavatra tokony ampianarintsika ny zanatsika vavy ankehitriny: fahaizana mitantam-bola, fahafahana mijery lavitra, fanatokisan-tena, sy fahaizana mamorona.Tonga dia henoy raha te hahita fomba hananganana taranaka vehivavy tsy mitady ho tafavoaka fotsiny, fa tena manana ny hery rehetra entina miatrika ny fiainana. Mihainoa finaritra o!

  34. 21

    Episode # 13 : Part 2: Fehiny - Vola, fitiavana, ary fahefana

    (Tohiny) Ao amin’ity episode vaovao eto amin’ny Ariravavy ity dia hamarana ny lohahevitre "Vola, Vehivavy ary Fahefana" isika ka hiresaka momba ny fomba ahafahantsika manome fitaovana ho an’ny taranaka mandimby indrindra ny zanatsika vavy mba hananganana harena — tsy harena ara-bola fotsiny, fa harena amin’ny safidy, amin’ny fahefana.Resahina eto ny antony mahatonga ny vehivavy mbola vitsy no manana harena be, ny fanamby ara-tantara sy ara-tsosialy, ary ny zavatra tokony ampianarintsika ny zanatsika vavy ankehitriny: fahaizana mitantam-bola, fahafahana mijery lavitra, fanatokisan-tena, sy fahaizana mamorona.Tonga dia henoy raha te hahita fomba hananganana taranaka vehivavy tsy mitady ho tafavoaka fotsiny, fa tena manana ny hery rehetra entina miatrika ny fiainana. Mihainoa finaritra o!

  35. 20

    Episode # 13 : Part 1: Fehiny - Vola, fitiavana, ary fahefana

    Ao amin’ity episode vaovao eto amin’ny Ariravavy ity dia hamarana ny lohahevitre "Vola, Vehivavy ary Fahefana" isika ka hiresaka momba ny fomba ahafahantsika manome fitaovana ho an’ny taranaka mandimby indrindra ny zanatsika vavy mba hananganana harena — tsy harena ara-bola fotsiny, fa harena amin’ny safidy, amin’ny fahefana.Resahina eto ny antony mahatonga ny vehivavy mbola vitsy no manana harena be, ny fanamby ara-tantara sy ara-tsosialy, ary ny zavatra tokony ampianarintsika ny zanatsika vavy ankehitriny: fahaizana mitantam-bola, fahafahana mijery lavitra, fanatokisan-tena, sy fahaizana mamorona.Tonga dia henoy raha te hahita fomba hananganana taranaka vehivavy tsy mitady ho tafavoaka fotsiny, fa tena manana ny hery rehetra entina miatrika ny fiainana. Mihainoa finaritra o!

  36. 19

    Episode # 12 : Ndao hifampizara ny manta sy ny masaka

    Amin'ity episode fa 12 ity dia hiresaka zavatra maro aho toy : - Ny fanambadian'ilay olona anisan'ny manankarena indrindra eto an-tany - Ny faha 65 ny nazahoan'ny Madagasikara ny fahaleovantena - Ny fitaizana sy ny fialan-tsasatra - sns.... Fizarana ny andavan'androm-piainako no tena resahako amin'ity episode ity ka mazotoa mihaino ary o!

  37. 18

    Episode # 11 :Ny fifandraisan’ny vola sy ny fiarahana na ny fitiavana.

    Efa nanontany tena ve ianao hoe tena tia ahy tokoa ve ny olon-tiako na ny vadiko sa miaraka amiko fotsiny noho ny fananako enti-manana na vola ? Na koa mifamadika amin’izay? Amin’ity fizarana mbola ao anatin’ny lohahehitra mikasika ny “Vehivavy, Vola, sy Fahefana” ity dia hiresaka indray isika mikasika ny fifandraisan’ny vola sy ny fiarahana na ny fitiavana. Afaka miaraka ve ny “tena fitiavana” sy “ny fitiavana ara-barotra”? Mbola misy ve ny fitiavana tsy misy fepetra ? Ary inona no singa mahatonga ny fitiavana ho mari-pototra sy matanjaka rehefa miditra ao ny resaka vola ? Resaka tokony horesahana satria matetika ny tsy fahampiana vola dia mety manimba ny fifankatiavana. Mazoto mihaino ary o! 

  38. 17

    Episode # 10 (Part 2) :Fitiavana sy Vola : Fa maninona no mbola ilaina ny fahaleovan-tena ara-bola rehefa mizara vola amin’ny olon-tiana?

    Ao anatin’ity episode ity dia handinika lalindalina kokoa isika momba ny dikan’ny fahafahana na "agency" ho an’ny vehivavy:Inona no dikan’izany rehefa mitambatra amin’ny fitiavana sy vola ?Raha milaza isika hoe: “izay ananako, ananantsika” na ko hoe " ny volako dia volanao ihany"…— mbola ilaina ve ny fahaleovan-tena ara-bola?Mbola afaka misafidy ve ianao, raha tsy mitantana ny volanao?Henoy ato anaty episode ary ny fifandraisan’ny fahefana sy fitiavana, ary ny fitovian-jo ao anaty fifandraisana ara-bola.

  39. 16

    Episode # 10 ( Part 1) :Fitiavana sy Vola : Fa maninona no mbola ilaina ny fahaleovan-tena ara-bola rehefa mizara vola amin’ny olon-tiana?

    Ao anatin’ity episode ity dia handinika lalindalina kokoa isika momba ny dikan’ny fahafahana na "agency" ho an’ny vehivavy:Inona no dikan’izany rehefa mitambatra amin’ny fitiavana sy vola ?Raha milaza isika hoe: “izay ananako, ananantsika” na ko hoe " ny volako dia volanao ihany"…— mbola ilaina ve ny fahaleovan-tena ara-bola?Mbola afaka misafidy ve ianao, raha tsy mitantana ny volanao?Henoy ato anaty episode ary ny fifandraisan’ny fahefana sy fitiavana, ary ny fitovian-jo ao anaty fifandraisana ara-bola.

  40. 15

    Episode #9 :Ny maha zava-dehibe ny fizakan-tena ara-bola ho an’ny vehivavy

    Ao amin’ity fizarana faha 9 ity dia hiresaka momba ny maha zava-dehibe ny fizakan-tena ara-bola ny vehivavy isika. “Ny hery lehibe indrindra ho an’ny vehivavy iray dia ny fahaleovantena ara-bola, mba hahatonga ny fitiavana ho safidy fa tsy ho paik’ady ho amin’ny fahavelomana.”Inona no dikan’izany ho an’ny vehivavy ? Ahoana no anovàn’ny vola ny fomba ijerentsika ny fitiavana, ny fiarahana, ary ny fanapahan-kevitra? Mihainoa finaritra ery !

  41. 14

    Episode # 8 : Hande hiala sasatra hiaraka amin'ny ankizy : ahoana no hatao ?

    Amin’ity fizarana fahavalo eto amin’ny Ariravavy ity isika dia hiresaka momba ny fitsangatsanganana miaraka amin’ny ankizy sy zazakely . Fomba hanomanana entana arakaraka ny taonan’ny zazaZavatra tena ilaina entina amin’ny fiaramanidina sy fiaraFomba hisafidianana toerana fialan-tsasatra ho an’ny fianakaviana ,.....Na somary manahirana aza ny mandeha miaraka amin’ny ankizy, dia fotoana feno fitiavana sy fifandraisana lalina amin’ny zanakao izany ka araraoty tsara . Mihainoa finaritra o!

  42. 13

    Special Episode : Fetin'ny reny

    Fehezam-bonikazo ho an'ireo reny rehetra !

  43. 12

    Episode # 7 : Ny fanalan-jaza - ndao resahana -

    Ao anatin’ity episode faha 7 ity dia hiresaka manokana isika ny vesatra manodidina ny fanalan-jaza, ny vohoka tsy iriana , ary ny fahabevokana ivelan’ny fanambadiana. Inona ny zava-misy mangiana hiainan’ny vehivavy Malagasy : ny fitsarana, ny fanavakavanahana, ny tsy fahampian’ny fiarovana, ny tsy fananana safidy,sns,.... Betsaka ny fanontaniana mipetraka hoe nahoana no rehefa mitranga ny fahabevokana sy ny fanalana zaza dia ny vehivavy irery matetika no tsy maintsy mitondra ny vesatra rehetra toy ny vesatra ara-batana, ara-tsaina, ara-tsosialy sns….  Mazotoa mihaino o! 

  44. 11

    Episide # 6 : Fikarakarana tena ho an'ny vehivavy manodidina ny 30 taona

     Amin’ity episode faha 6 ity dia hiresaka indray isika momba ny fikarakana tena ho antsika 30 taona sy ny manodidina. Horesahana amin’izany ny fifandraisan’ny asa sy ny fahasalamana, eo ihany koa ny fahasalamana ara-pananahana, ny fanambadiana , ny fitiavana ary ny fiarahana, ny paika’ady hampifanarahana sy handanjalajana ny asa sy ny fiainana ary ny fijerevana izay fomba fikarakarana tena mety aminao. Mihainoa finaritra ary o! 

  45. 10

    Episode # 5 : Ireo fahatsapana mangina tsy dia resahina ampahibemaso

    Amin'ity herinandro ity dia hanao tora-po kely aho ao anatin’ity episode faha 5 ity.Ho antsika vehivavy izay tia ny fiainany sy feno fankasitrahana  nefa mbola maniry bebe kokoa. Ho antsika indraindray izay mahatsapa ho diso noho ny faniriana bebe kokoa, na koa mahatsapa ho irery na dia voahodidin'olona aza. Tsy irery ianao. Ndao hiresaka momba ireo ady sy fahatsapana mangina tsy hitan'ny olona ireo 🎧 Tsindrio ny play! Mihainoa finaritra o! 

  46. 9

    Episode # 4 : Fikarakarana tena ho an'ny vehivavy mifana

    Amin'ity episode faha 4 ity, hojerentsika akaiky ny fikarakarana tena ho an'ireo reny vao teraka. Hiditra amin'ny fiainana maha-reny vaovao isika, hatramin'ny famerenana ny famaritana ny fikarakarana tena mandritra ny hoe mifana, ka hatramin'ny fomba ahafahana mikolokolo ny maha-izy anao ivelan'ny maha-reny. Hiresaka ihany koa isika mikasika ny fikarakarana vatana, ary ny fandaminana sy ny fitsinjarana andraikitra ao an-tokantrano . Misy ihany koa torohevitra azo ampiharina momba ny fikarakarana zaza vao teraka. Mihainoa finaritra ary o! 

  47. 8

    Episode 3 - Part 2 : Fikarakarana tena ho an'ny vehivavy mitondra vohoka

    Ity fizarana fahatelo tapany faharoa  amin’ny AriraVavy ity dia miresaka hatrany momba ny fomba fikarakarana tena mandritra ny fitondrana vohoka. Eto dia hiresaka momba ny fanomanana ny fanambadiana , raha toa ka mikasa ny hanampy zanaka, ny fanomanana ara-tsaina momba ny fiovan’ny vatana, ny fomba handrindrana sy ny fitantanana ny toro-hevitra maro avy amin’ny havana aman-tsakaiza, ny fanomanana ny fahasalamana ara-tsaina, ary farany ny fiomanana ara-lojistika aorian’ny fiterahana. Mihainoa finaritra ary o!

  48. 7

    Episode # 3 - Part 1 : Fikarakarana tena mandritra ny fitondrana vohoka

    Ity fizarana fahatelo tapany voalohany amin’ny  AriraVavy ity dia miresaka  momba ny fomba fikarakarana tena mandritra ny fitondrana vohoka. Ahitana torohevitra azo ampiharina amin’ny sakafo sy ny fanatanjahan-tena ary paik’ady entina miatrika ireo fiovana amin’ny maha anao anao.Mihainoa finaritra ary o! 

  49. 6

    Episode # 2 : Fikarakarana tena ho an’ny vehivavy 20 - 29 taona

    Ao anatin’'ity fizarana vaovao ity dia hijery ny fomba fikarakarana tena ho antsika vehivavy 20 ka hatramin’ny 29 taona isika. Hojerena ireo paikady azo ampiharina hanomezana lanja bebe kokoa ny fiarovan-tena manoloana ny tsindry amin’ny asa, ny  ahiahy ara-bola, ary ny fifandraisana amin’ny hafa. Mihainoa finaritra ary o!

  50. 5

    Special Episode # 2 : Nahoana no isika samy vehivavy ihany no mifanome tsiny sy mifampitsara ?

    MG: Amin’ity fizarana manokana ity dia hamaly ity fanontaniana ity isika hoe nahoana isika vehivavy no mandatsa, mitsara ary koa manome tsiny rehefa misy vehivavy hafa hiaran’ny herisetra ? Na dia manana kolontsain manandratra ny firaisankina sy ny fihavavana ary isika dia hafa ny zava-visy ankehitriny. Hojerentsika tsirairay ireo antony toy ny fitsipiaka napetraky ny fiaraha-monina izay nisongadina tany amin’ny fahazazana, ka hatramin’ny fifaninanana ara-tsosialy. Hodinihintsika koa hoe ahoana no itarihan’ny tahotra sy ilay fijery fa ara-drariny avokoa ny zavatra rehetra mihatra amintsika , amin’ny alalan’ny fanomezan-tsiny ny niharam-boina , ary farany noho ireo fomba fijery ara-pivavahana izay manome lanja manokana ny fitondran-tenan’ny vehivavy.Raha mbola manontany tena ianao hoe ahoana no mety hahatonga vehivavy sasany ho mpitsikera mafy ny vehivavy hafa amin’ny toe-javatra izay tokony hiarahana miroso, dia hanome fanazavana mazava sy lalana mivaingana ho amin’ny fanohanana tena izy ity fizarana manokana ityFR: Dans cet épisode spécial, nous répondrons à cette question : pourquoi nous, les femmes, avons-nous tendance à dénigrer, juger et même blâmer lorsqu'une autre femme est victime de violence ? Bien que nous ayons une culture qui prône la solidarité et l'entraide (le fihavanana), la réalité actuelle est bien différente.Nous examinerons une à une les causes de ce phénomène, allant des normes imposées par la société et inculquées dès l'enfance, jusqu'à la compétition sociale. Nous analyserons également comment la peur et la croyance selon laquelle tout ce qui nous arrive est mérité conduisent à culpabiliser la victime, et enfin, nous aborderons le poids des conceptions religieuses qui accordent une importance particulière au comportement des femmes.Si vous vous demandez encore comment certaines femmes peuvent se montrer si dures envers d'autres femmes dans des situations où nous devrions nous serrer les coudes, cet épisode spécial vous apportera des explications claires et des pistes concrètes pour bâtir un véritable soutien mutuel.

Type above to search every episode's transcript for a word or phrase. Matches are scoped to this podcast.

Searching…

We're indexing this podcast's transcripts for the first time — this can take a minute or two. We'll show results as soon as they're ready.

No matches for "" in this podcast's transcripts.

Showing of matches

No topics indexed yet for this podcast.

Loading reviews...

ABOUT THIS SHOW

Tonga soa eto amin'ny AriraVavy :podcast malagasy hanomezana sehatra ny tontolo manodidina ny maha vehivavy sy maha reny . Ny vehivavy tsirairay dia manana tantara azo zaraina. Ndao ary hiaraka amiko, Rasoa, amin'ity sehatra vaovao ity . Mihainoa finaritra o ! Welcome to AriraVavy: a space where we celebrate the stories of women, weaving together the threads of womanhood, motherhood, culture, and identity. Every woman has a story, and every mother carries a legacy. Join me, Rasoa, as we embark on today’s journey of discovery, connection, and empowerment.

HOSTED BY

Rasoa

Frequently Asked Questions

How many episodes does AriraVavy have?

AriraVavy currently has 50 episodes available on PodParley. New episodes are automatically indexed when they're published to the podcast feed.

What is AriraVavy about?

Tonga soa eto amin'ny AriraVavy :podcast malagasy hanomezana sehatra ny tontolo manodidina ny maha vehivavy sy maha reny . Ny vehivavy tsirairay dia manana tantara azo zaraina. Ndao ary hiaraka amiko, Rasoa, amin'ity sehatra vaovao ity . Mihainoa finaritra o ! Welcome to AriraVavy: a space where we...

How often does AriraVavy release new episodes?

AriraVavy has 50 episodes. Check the episode list to see recent publication dates and frequency.

Where can I listen to AriraVavy?

You can listen to AriraVavy on PodParley by clicking any episode. We provide an embedded audio player for direct listening, and you can also subscribe via your preferred podcast app using the RSS feed.

Who hosts AriraVavy?

AriraVavy is created and hosted by Rasoa.
URL copied to clipboard!